Niverina ary miantsona ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina indray ity sambo lehibe mpitsabo ity, ny 13 febroary teo, taorian’ny nialany an’i Magagasikara ny volana desambra teo. Raha hiverenana, hatramin’ny taona 1996 no efa tonga teto voalohany ny sambo Afrika Mercy. Tamin’ io vanim-potoana io ka hatramin’ izao, efa nahavita fandidiana 11 000 isa izy ireo. “Mihoatra ny 65 000 ny fitsaboana nify, raha 2 500 kosa ny olona nandranto fampiofanana ara-pahasalamana, izay natokana ho an’ ireo mpiasan’ny fahasalamana”, hoy i Natha Jansen, teratany amerikanina, tale jeneralin’ny sambo. Nohamafisiny fa ireo tarehimarika ireo hatramin’ny niasana farany teto, ny taona 2016.
Hampiakatra ny zava-bita
Fanambin’ny orinasam-pitsamboana maimaimpoana ny hitondra fanentanana sy fanasitranana ho an’ny olona mandritra ity taona 2025 ity. Hatao mihoatra ny 1 300 isa ny fandidiana eto Madagasikara amin’ ity taona ity, ary hihoatra ny 1 400 isa kosa ny tombana amin’ny fitsaboana nify. Afaka misitraka izany avokoa hatramin’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mpiara-miasa ao amin’ny sambo. Tanjona ny hanatsarana sy hisian’ny traikefan’ny mpiasan’ny fahasalamana eto Madagasikara. Eo koa ny hanatsarana ny fomba fitsaboana ny vahoaka sy ny tontolony. Manoloana izany, hampakarina roa hatramin’ny telo avo heny ny fampiofanana ny mpiasa hisitraka izany. Nambarany hatrany fa ezaka atao ny hametrahana lova ho an’ny taranaka malagasy mba hananana mpitsabo mpandidy anatin’ny finiavana sy fitiavana ary finoana an’ Andriamanitra. Mba ho lavitry ny kolikoly sy fitiavan-kely izay tsy zakan’ny marary sy ny fianakaviany. “Faly izahay fa afaka hitondra fanantenana, fanasitranana ary fampandrosona maharitra ho an’ny vahoaka malagasy”, hoy hatrany izy nanamafy.
Nisantatra ny fandidiana
Olona roa samy hafa aretina no nisantatra ny fandidiana ny alatsinainy 10 marsa teo. Mpitsabo roa samy hafa firenena no nisahana izany, raha ny nambaran’i Merryl Mackenzie, talen’ny hopitaly, teratany aostralianina. Aretina mivonto no nodidina tamin’ilay marary iray, raha toa ka aretina vokatry ny fahamaizana ka nahasimba ny hoditra eo amin’ny tarehiny kosa ny faharoa.
Nametraka ho zava-dehibe ny fisian’ny teratany malagasy ho mpandika teny ireto tale ireto. “Zava-dehibe ny fahaizana mandika teny satria raha misy fahadisoana dia efa manimba ny endriky ny fitsaboana izany”, hoy hatrany izy. Voakasik’izany avokoa na ny fomba fihinanana fanafody na ny fanaraha-maso manoloana ny fivoaran’ny aretina. Nohamafisin’ ity talen’ny hopitaly ity fa mpandidy roa no miasa mandritra ny enina herinandro. Miverina any amin’ny firenena niaviany izy ireo rehefa vita izay fe-potoana izay. Misy mpitsabo hafa tonga indray manolo azy avy eo.
Sarotra sy saro-pady ny asa fandidiana ka mila fitandremana. Arakaraka ny soritr’aretina hodidina ny atao sy ny mpitsabo mandray ny marary. Nisy fotoana, mpitsabo iray tena tsy nisolo mihitsy tao anatin’ny sambo nandritra ny 35 taona, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Nohamafisiny fa maimaimpoana ny fitsaboana sy fandidiana ary raisin’ny Afrika Mercy an-tanana avokoa ny fiantohana ny marary sy ny mpanaraka azy hatramin’ny fiverenana any an-tokantranony.
Mifanohitra amin’ny hopitalim-panjakana
Amin’ny ankapobeny, mihazakazaka be ireo Malagasy, indrindra ireo sahirana ara-pivelomana, misoratra anarana amin’ity fitsaboana maimaimpoana ity. Hatramin’izao, ahitana olona milahatra foana etsy amin’ny Hopitalibe, sampana Mercy Ships misoratra anarana. Satria, te hisitraka fitsaboana maimaimpoana izy ireo. “Marary ny Malagasy ary reraka ao anatin’ny adim-piainana ka tsy afaka hiantoka ny saram-pizaham-pahasalamana sy hividy fanafody hitsaboana tena intsony”, raha ny fanadihadiana natao. Antony mahatonga azy ireo milahatra amin’ity fitsaboana ity, raha ny fanazavan’ny mpitsabo iray nanaovana fanadihadiana.
Nohamafisiny hatrany fa matetika ny filohan’ny Repoblika milaza fa hiantohana ny fitsaboana voalohany, ho an’ireo marary, indrindra raha misy ny loza voajanahary. Tsy tonga eny anivon’ny hopitalim-panjakana kosa anefa ireny fanafody ireny.
Raha ny zava-misy hatramin’izao fotoana izao, mbola handoavam-bola ny fanafody sy ny fitsaboana eny anivon’ny hopitalim-panjakana. Eny fa na hatramin’ny efitrano handriana aza, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Alefa mody kosa ary tsy raisin’ny mpitsabo ireo marary tsy manam-bola nefa tonga eny anivon’ny hopitaly.
Nanatontosa : Sajo