Rotsakorana sy rivodoza: Mihena 50 – 60 % eo ny isan’ny mpandeha mihazo ny faritra

Nahitana fihenany ny isan’ny mpandeha sy ny fiara mihazo ny faritra tao anatin’ny fotoanan’ny rotsakorana sy ny fandalovan’ny rivodoza teto amin’ny Nosy, raha ny fanadihadiana na­tao. Nihena ha­tra­min’ny 50% eo ny tahan’ny mpandeha.

Mihena hatramin’ny 50 – 60 % eo ny isan’ny mpandeha mihazo ny faritra nanomboka ny volana febroary teo, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny tomponandraikitry ny gara Makis Andohatapenaka, Ranaivoson Fidy. Mihena manaraka izany ihany koa ny isan’ny fiara miasa. Antony mahatonga izany ny fahamaroan’ny rotsakorana sy ny fisian’ny rivodoza. Tsy sahy mivezivezy be loatra ny olona manoloana izany, ankoatra ireo tsy maintsy mandeha sy misy zavatra karakaraina na hatao.
Manoloana izany, maro amin’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny asa fitaterana ny mikarakara ny fiara ampiasaina. Eo koa ny manararaotra manofana sy manamafy traikefa ho an’ny mpamily. Miteraka fatiantoka eo amin’ny mpandraharaha sy mpisehatra amin’ity asa ity ny zava-misy tahaka izao, raha ny nambarany . Famoaham-bola avokoa ny ao ambadik’izany hetsika atao izany. Satria, betsaka ny vola mivoaka raha toa ka kely kosa ny miditra, raha ny fanazavana voaray.

Miantraika amin’ny asa fitaterana ny fiovaovan’ny vidin-tsolika
Ankoatra izay, nahitana fiovaovana hatrany ny vidin-tsolika, raha ny hita eny amin’ireo mpaninjara. Ankehitriny, manodidina ny 4 970 Ariary ny litatra amin’ny gazoala. 5 320 Ariary kosa ny litatra amin’ny lasantsy. Raha toa ka 2 830 Ariary ny vidin’ny litatra amin’ny solitany (pétrole). Akora fototra fampiasa amin’ny asa fitaterana ny solika. Miankina amin’io ny ahafahana mampandeha ny asa. “Tsy maintsy misy fiantraikany any amin’ny mpitatitra sy ny mpiantsehatra amin’io asa io foana ny fiakarana na fidinan’ny vidin’ny solika”, hoy ity tomponandraikitra ity. Tsy azo ihodivirana ny mety hisian’ny fiovan’ny saran-dalana manoloana ny zava-misy, raha ny fanazavany. Raha miakatra ny vidin-tsolika dia tsy maintsy misy fiantraikany any amin’ny fandaniana izany. Lasa mitombo ny vola aloan’ny mpandraharaha amin’ny resaka solika. Etsy ankilany, tsy mitsahatra mitombo koa ny kojakoja ilaina rehetra amin’ny fiara, izay anisan’ny mitarika fatiantoka eo amin’ity fandraharahana ity, raha ny nambaran’ny tomponandraikitry ny gara Makis Andohatapenaka.

Notazonina ny saran-dalana teo aloha
Na dia eo aza ny fiovaovan’ny vidin-tsolika misy amin’izao fotoana, mbola mitazona ny saran-dalana teo aloha hatrany ireo kaoperativa maro eto amin’ny Nosy. Tsiahivina fa efa nisy ny fivoriana niarahan’izy ireo sy ny mpandraharaha misehatra amin’ny asa fitaterana ary ny teo anivon’ny minisitera hijerena vahaolana mahakasika ny saran-dalana eto an-toerana. “Mbola notazonina ny saran-dalana hatramin’izao, mba hahafahana mijery ny tombontsoan’ny mpian­tsehatra sy ny mpanjifa”, hoy Ranaivoson Fidy, tomponandraikitra eny amin’ ny gara Makis. “Tsy tokony ho io saran-dalana misy amin’izao fotoana izao io ny saran-dalana fa mbola natao izay hifampitsinjovana eo amin’ny roa tonta”, hoy hatrany izy.

Miverina ny tsy fandriampahalemana eny an-dalana
Manomboka miseho in­dray ny trangana tsy fandriampahalemana mahazo ny fiara fitaterana eny an-dalana tato ho ato. Anisan’izany ny fanakanan-dalana ataon’ny olon-dratsy, ny fandrovitana labasy sy ny fonosan’entana eny ambony tafo sy ny maro hafa. Manentana ny mpamily rehetra mba hiaraka maromaro hatrany eny an-dalana hisorohana ny fanakanan-dalana sy ny trangana tsy fandriampahalemana, raha ny fanazavana. Ilaina hatrany koa ny fahamailoan’ny mpamily manoloana izany rehetra izany.

CREATOR: gd-jpeg v1.0 (using IJG JPEG v62), quality = 85

Miteraka fatiantoka ny fahasimban’ny lalana

Ahitana fahasimbana avokoa ny ankamaroan’ny lalam-pirenena mampitohy an’Antananarivo sy ny faritra maro manerana ny Nosy, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny orana izao. Nambaran-dRanaivoson Fidy, tomponandraikitra ny gara makis, fa anisan’ny miteraka olana goavana eo amin’ny mpisehatra izany. Manainga ny tomponandraikitra izy ireo mba hijery sy hamaha izany olana izany. Ahitana fahasimbana avokoa ny ankamaroan’ny lalana misy eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao, ankoatra ny lalam-pirenena fahefatra, raha ny fanazavana voaray. Ho an’ny lalam-pirenena faharoa, ahitana fahasimbana ny lalana manomboka eo Andranomafana hatrany Ampasamidinika. Ho an’ny lalam-pirenena faha-34, efa manomboka ahitana fahasimbana ihany koa manomboka eo Andavilaza, Miandrivazo. Ho an’ny lalam-pirenena faha-35, efa manomboka tafiditra any anaty lalana ny bozaka. Ny lalam-pirenena faha-7, efa ahitana fahasimbana koa vao miala an’i Fianarantsoa mandra-pahatonga any Ambalavao sy Andranovory. Ho an’ny lalam-pirenena fahenina, manomboka eo Ambondromamy, Mampikony, Port Bergé, Antsohihy hatrany Ambanja. Mbola manahirana ihany koa ny lalana na dia efa nisy aza ny fanotofana tany teo Andrevorevo.
Ankoatra izay, mananosarotra ny fahasimban’ny piesin’ny fiara vokatry ny fahasimban’ny lalana. Nolazainy hatrany fa maro amin’ny fitaovana eny amin’ny fiara no potika noho izany. Etsy ankilany, efa mihamaro ny kojakoja mora simba sy tsy maharitra izay hamidy sy tafiditra eto an-tanindrazana. Misy amin’ireo kojakoja vao novidiana no tsy maharitra herinandro fa tonga dia simba nefa efa novidiana lafo. Manainga ny tomponandraikitra mahefa ihany koa izy ireo mba hijery sy hamaha izany olana rehetra izany.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: