INDRAY MIJERY

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny vinanasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ho an’ny taona 2025, hanome tolotra ara-pahasalamana sy fitsaboana manakaiky vahoaka. Hitohy ny fanamboarana hopitaly sy CSB manerana ny Nosy izay efa misy andalam-pahavitana.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ihany koa ny fampitaovana ny toeram-pampianarana hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eto Madagasikara. Toraka izany koa ny hahatomombana ny fanadinam-panjakana ofisialy. Tohizana ny fanajariana ny sekoly sy ny efitra fianarana manerana ny Nosy.
Azo tsaboina ny aretina “schizophrénie » fa tsy ampy ny fandraisana an-tanana ara-panafody. Maro ny karazam-panafody tsy misy eto Madagasikara, tsy maintsy hafarana any ivelany ka lafo. Aretina mitazaroka izy io ka vesatra ho an’ny fianakaviana ny fividianana fanafody. Matetika ireo fanafody misy eto an-toerana no ampiasaina rehefa tsy afaka manafatra noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana.
Amin’ny ankapobeny, ambaran’ny olona hatrany fa tokony hamboarina fotsiny ny saina rehefa misy aretina mahazo azy nefa raha ny vatana no marary ilaina ny manatona mpitsabo. Tokony hialana ny tsy firaharahana ny fahasalaman’ny saina satria samy aretina ireo ary miantoka ny firindrana eo amin’ny olona iray. Voalazan’ny OMS fa hahatratra hatramin’ny 50% ny tahan’ny olona tratran’ny fikorontanana ara-tsaina amin’ny 2050 ka mety ho tonga amin’izay tokoa raha tsy misy ny fandraisana andraikitra dieny izao

Partager sur: