Sampana misahana ny fahasalaman’ny saina : 15,02% amin’ny olona nanatona CHU no voan’ny “schizophrénie »

Faharefoana efa ao anatin’ny olona (gène) ary manaranaka ny “schizophrénie ». Ny fikorontanan-tsaina eo amin’ny manodidina no mahatonga azy hiseho eo amin’ny fahatanorana: ratram-po, fahoriana, rongony. Raha marefo nefa voaaro ilay olona dia tsy tonga amin’ny aretina.

Aretina ny “schizophré­nie », miantraika amin’ ny olona vokatry ny fikorontanan’ny tsiry mpanentana ao amin’ny atidoha. Eo amin’ny fahatanorana (15 taona) no tena miseho izy io ary tsy anavahana sokajin’olona fa mety ho tratrany avokoa ny rehetra, araka ny fanazavan’ny mpitsabo manokana momba ny fahasalaman’ny saina (psychiatre), dokotera Rafindra­lambo Kia­dy, teny Ambohi­dahy, tamin’ity herinandro ity. Rehefa miaina azy ilay tanora, tsy hita mivantana ety ivelany fa misy tranga toy ny hoe lasa tsy maharaka any an-tsekoly nefa mahay teo aloha ny fisehony eny am-piandohana. Mikorontana koa ny torimaso ka raha tsy misy fandraisana an-tanana, mety hitarika amin’ ny “épisode psychotique”. Rehefa tonga eo amin’io dingana io izy, lasa mahita zavatra tsy hitan’ny olon-kafa (hallucination) amin’ny alina na mandritra ny tontolo andro mihitsy. Mahare feo baiko, manaratsy ka lasa miteraka tebiteby eo amin’ilay tanora isehoany. Tsy tsapan’ny olon-kafa manodidina azy ny tranga fa izy irery no mahatsapa azy. Raha mbola tsy misy ihany ny fandraisana an-tanana eo, lasa masika, mikorontana ary mety hamono tena mihitsy ilay olona. Mety haharitra enim-bolana ny fisehoan-javatra.
Miampy tranga hafa: mitoka-monina, tsy mahatsapa fihetseham-po, sarotra mifanerasera amin’ny olon-kafa. Lasa misy fikorontanan’ny eritreritra sy ny fihetsika koa ny tranga (tsy mahay mianatra, tsy mahay mikarakara tena) ka manaitra ny manodidina. Manana eritreritra mifanohitra amin’ny tokony ho izy (misy manapoizina izy, misy manenjika) koa ny olona voan’ny “schizophrénie” (lasa manao délire).
“Araka ny antontanisa 2023-2024, nalaina tamin’ny sampana mitsabo ny fahasalaman’ny saina amin’ireo hopitalim-panjakana eto Anta­na­narivo: CHU Befelat­anana, CHU Soavinandriana, CHU Anjanamasina ary CHU Santé Mentale Analakely : 15,02% tamin’ireo olona nanatona tamin’ireo hopitaly ireo no voan’ny schizophrénie”, hoy ny mpikambana ao amin’ny ONG Psy-kôzy Ma­dagasikara, Iarantsoa Dally.

Vonjy

Partager sur: