Tetikasa Lac Iarivo-Ivato : Nilamina ny mponina rehefa nahazo fanazavana

Nihaona mivantana tamin’ny mponina ao amin’ny kaominina Ivato voakasiky ny tetikasa Lac Iarivo ireo tomponandraiki-panjakana, omaly. Nitarika ny delegasiona ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamano­hisoa Gérard, miaraka amin’ny governoran’Analamanga Rasoamaromaka Hery, sy ireo tomponandraikitra rehetra.
Taorian’ny fanazavana natao dia niaiky ireo mponina fa nanao fanorenana tamin’ny tanim-panjakana izay voafaritry ny lalàna velona fa tsy azo amidy ary tsy azo anorenana.
Tanim-panjakana avokoa anefa no anaovana ny fanitarana ny lalana mikodana ho zotra efatra azon’ny fiara ifamezivezena malalaka ary misy ny lalan’ny mpandeha an-tongotra sy ny lalan’ny koriaran-droa. Hisy taxi-be ihany koa hitatitra ny olona amin’izany.
Iharan’ny lalàna avokoa ireo tomponandraikitra na­moaka taratasy fahazoan-dalana manorina amin’ny tanim-panjakana. Fehezan-dalàna famaizana no mihatra amin’izy ireo.
Voakasiky ny fanitaran-dalana ireo trano naorina amoron-dalana izay tanim-panjakana avokoa ka tsy maintsy harodana.
Amin’ny herinandro, hisokatra eny amin’ny Lac Iarivo ny toerana fandraisana fitarainana hahafahan’ireo mponina manatitra ny fitarainany sy hihainoana azy ireo. Naroson’ny tomponandraikitra ny tetikasam-panjakana “zara-tany sy ankohonana miarina” hahafahan’ny mponina manana tany ara-dalàna.

Tatiana A

Partager sur: