Dibo-drano i Sabotsy Namehana: vaky ny fefiloha an-jatony ny tra-boina

Vaky vokatry ny rotsakorana afakomaly alina, ny fefiloha any amin’ny fokontany Andranomena. Vokany, tokantrano am-polony no traboina sy tsy maintsy nafindra toerana.

Vaky ny fefiloha manandrify ny fokontany Andra­­nomena, kaominina Ankadikely Ilafy, ditrikan’ Antananarivo Avaradrano, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Nampandre ny zava-misy ta­min’ny zandarimaria ny sefo fo­kontany Andranomena, ka nidina ifotony haingana ireo ekipa avy amin’ny PF Mandro­soa sy ny borigadin’i Sabotsy Namehana. Vaky noho ny fi­rotsahan’ny orana nisesy halina ny fefiloha, raha ny fanazavana voaray. Vokany, niakatra ny reniranon’Imamba ka feno rano avokoa ny tanimbary ha­tramin’ny tranon’olona manakaiky ny renirano eny an-toerana. Maro, noho izany, ireo tokantrano traboina sy tsy maintsy nafindra toerana. To­kantrano 53 tafo, avy amin’ny fokontany efatra, no traboina, raha ny tatitra voaray avy amin’ny ben’ny tanànan’i Sabotsy Namehana. Anisan’izany ireo olona eni-mianaka mpanao bi­riky tavela teny afovoan-drano, tao Bo­toina, Sabotsy Name­ha­na, halina. Tsy naheno ny fiakaran’ny rano ireo fianakaviana manamorona ny tanimbary ka tsy afaka miala intsony. Ni­andry biriky noho ny fisian’ny halatra izy mianakavy kely ireo ka izao sendra ny fefiloha vaky izao. Efa nanomboka niantso vonjy izy ireo halina fa tsy nisy naheno. Efa avotra soamantsara moa izy ireo noho ny fiaraha-miasan’ny tomponandraikitra maro samihafa nanavotra azy ireo. Efa tonga teny an-toerana nanampy ny zandarimaria ny avy amin’ny BNGRC sy ny fiadidiana ny kaominina mba ha­navotana ireo mponina taraiky teny afovoan’ny rano.
Ankoatra izay, noho ny fiakaran’ny rano, efa tafakatra teny amin’ny arabe ihany koa ny rano tamin’ny 8 ora sasany maraina tany ho any. Nitoha­na tanteraka ny fifamoivoizana teny an-toerana noho ny fahateren’ny lalana handehanan’ny fiara.

Mino

Partager sur: