INDRAY MIJERY

Natolotry ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, teny Ankatso II, tamin’ity herinandro ity, ny fotodrafitrasa fametrahana ny lavadrano ho an’ny mpianatra. Niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka Communauté musulmane Sunnite de Madagascar (CMSM) izany. Mihoatra ny 5m³ isan’ora ny rano azo vokarina ao an-toerana. Misy fitahirizan-drano mahazaka 18m³ ihany koa. Ankoatra ny rano izay azo ampiasaina ivelan’ny trano fonenana, tafiditra ao amin’ny efitranon’ny mpianatra tsirairay ankehitriny ny rano fisotro madio.
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ny solontenan’ny Fan­da­haranasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), Goossens Tania, tamin’ity herinandro ity. Noresahina nandritra ny fihaonana ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, mahakasika ny fampiroboroboana sy fampiakarana ny taham-pahaizan’ireo mpianatra any amin’ny faritra miaina ny tsy fanjarian-tsakafo sy hampitombo ny fahazotoana sy ny fifantohan’izy ireo amin’ny fianarana izany.
Nandritra ny hefarana, nanatanteraka fampiofanana mahakasika ny “fandraharahana” tany Ambaton­dra­zaka, ny ekipan’ny Direction de la formation continue et du renforcement des capacités eo anivon’ny fitaleavana momba ny fampivoarana ny fampanana asa (DGPE). Tohanan’ny ONG Edugascar sy ny sampandraharaham-paritra Alaotra Mangoro izany. 50 ireo tanora sy mpandraharaha tonga niofana ary maro ireo tetikasa novolavolain’izy ireo nandritra izany: fambolena legioma, fa­naovana asa tanana, fandraharahana momba ny vary.

Partager sur: