Tsy fanjarian-tsakafo: Nametraka fanamby enina hotanterahina hatramin’ny 2030 i Madagasikara

Isaorana ny fahasahian’ny fitondrana nandray ny fanamby hitondrana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Mada­gasi­kara hatramin’ny taona 2030, hoy ny vovonana Hina. Hanohana amin’ny drafitrasa hanatrarana izany ny fikambanana 600 mandrafitra ny Hina.

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia lasa teo, ny andraikitra horaisin’ny fanjakana malagasy ho an’ny fihaonana an-tampon’ny fanjarian-tsakafo, ho an’ny fitomboana N4G, any Paris, ny 27 sy 28 marsa ho avy izao. Fo­toana hanamafisana ny ezaka efa natao sy hanafainganana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo hahatrarana ireo tanjona maneran-tany hatramin’
ny 2030 ny fihaonana. Efa no­faritana taorian’ny atrikasa fakan-kevitra ny fanekena na­taon’i Madagasikara ary efa natolotra ny tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Fi­renena mikambana: ny sekretera jeneraly lefitra ao amin’ny Firenena mikambana sady mpandrindra ny hetsika « Sun », Afshan Khan, sy ny sekretera jeneralin’ny fihaonana an-tampony N4G, Brieuc Pont, nandritra ny fandalovany teto Madagasikara. Enina ny fanamby naroso: fampihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eo amin’ny zaza latsaky ny 5 taona ho 25,9% amin’ny taona 2030 raha 39,8% izany, araka ny fanadihadiana EDS 2021. Fampidinana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ho 3% raha 7,7% ankehitriny. Fanamby faharoa ny fanatanterahana ny tondrozotra ho fanovana ireo rafitra ara-tsakafo. Fahatelo ny fampitomboana ny tetibolam-panjakana momba ny fanjarian-tsakafo raha latsaky ny 2% amin’ny tetibolam-panjakana, isan-taona, no atokana ho an’ny fanjarian-tsakafo hatramin’izay. Fahefatra, ny fanamafisana ny fandrindrana ny paikady marolafy ary fanamby fa­hadimy sy fahenina ny fa­naovana ny fanjarian-tsakafo ho laharam-pahamehana amin’ny fahafahana mampifanaraka izany amin’ny fiovaovan’ ny toetr’andro. Noha­ma­fisin’ ny filankevitra fa laharam-pahamehana anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ary tsapa ny vokatra. Nihena ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo ary niakatra ny fampiasana ny fandrindram-piterahana.
Ny minisiteran’ny Fambo­lena sy ny fiompiana, ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny sekretaram-panjakana miadidy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo ary ny Ofi­sim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN) no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ ny fihaonana N4G any Paris.

Fanamby iray no tanteraka amin’ny ampahany

Natao ny taona 2013 ny fihaonana an-tampon’ny fanjarian-tsakafo andiany voalohany izay karakaraina isaky ny efa-taona. Amin’ny maha mpikambana an’i Madagasi­kara ao anatin’ny hetsika «Scaling Up Nutrition» (SUN) azy, mandray anjara hatrany amin’ny N4G isika.
Nandritra ny N4G, ny taona 2021, tany Japon, na­hatratra fito ny fanamby na­taon’i Madagasikara. Tokana ihany no tratra amin’ny ampahany tamin’ireo fito noho ny Covid-19. Nampandringa ny fanaraha-maso ny fanamby koa, hoy ny vovonana Hina, ny tsy fisian’ny antontanisa ofisialy avoaka mifanaraka amin’ny fanamby ka hanaovana antso amin’ny fitondrana ahazoana manao tombana.

Hanohana hanatrarana ny fanamby ny Vovonana Hina

Ho an’ny Vovonan’ny firaisamonimpirenena misehatra ho amin’ny fanjarian-tsakafo (Hina), fotoana hanamafisan’ny mpitondra ny finiavana ny fametrahana fanamby enina hanatsarana ny fanjarian-tsakafon’ny mponina ao aminy hatramin’ny taona 2030, araka ny nambaran’ny filohan’ny filankevi-pitantanana, i Faniry Hantarinivo.
«Isaorana ny fanjakana nanamafy ny finiavana ka nandroso ny fanamby enina. Ambony ny fanamby fa ma­nana politika nasionaly ho an’ny fanjarian-tsakafo sy ny drafitrasa marolafy ho an’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo i Madagasikara. Azo tan­terahina tsara ireo fanamby raha apetraka ny rafitra sy ny tetibola. Ankoatra ny fampihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo roa eo amin’ny zaza latsaky ny 5 taona. Misy fa­namby efatra horaisina. Eo ny fanamafisana ny haitariky ny minisiteran’ny Fambolena, mba hametrahana tondrozotra amin’ny fanovana ny fa­mokarana sy ny fiahiana ara-tsakafo. Mitaky tetibola mi­fandraika amin’ny filana, mi­tentina 452 miliara Ar isan-taona, izany amin’ny alalan’
ny asa rehetra mifandraika amin’ny fanjarian-tsakafo ao anatin’ny minisitera rehetra voakasika”, araka ny fanazavany.
Ho an’ny firaisamonimpirenena, manantena izy ireo fa tsy hijanona ho fanamby fotsiny ireo. Tokony hapetraka ny fepetra sy paikady amin’ny lafiny arak’olona, rafitra ara-bola hanatanterahana izany. Hanaraka akaiky ny fizotran’ny fihaonana, any Paris, ny Vo­vonana Hina ary mametraka sahady ny drafitrasa entina mifanome tanana amin’ny fanjakana hanatrarana izany sy hanaraha-maso ny fanantanterahana rehetra.

Nanatontosa : Vonjy Andrianjaka

Partager sur: