Tsy manadino ireo mpiray tanindrazana traboina vokatry ny fahavakisan’ny fefilohan’Imamba ny vadin’ny filohan’ny Repoblika. Nitondra tohana hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo mponina izy ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny distrika Antananarivo Avaradrano.
Nanatanteraka hetsika ara-tsosialy nentina nanohanana ireo fianakaviana traboina noho ny fahavakisan’ny fefilohan’Imamba, distrika Avaradrano, ny fiadidiana ny Repoblika. Tamin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny raharaha sosialy (Das) sy ny fikambanana Fitia no nanatanterahana izany ny faran’ny herinandro teo. Toerana telo anatin’ny distrika Avaradrano no notsidihin’ireo solontenan’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy.
« Vantany vao niakatra ny rano, omaly, naniraka ny mpiara-miasa aminy ny filohan’ny fikambanana Fitia, Rajoelina Mialy nanehoana fa anatin’ny fotoan-tsarotra no ahafantarana ny tena namana », hoy Raharinoro Roumana Amidjee, tale misahana ny raharaha sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. “Efa fanaon’ny filoha Rajoelina Andry sy ny vadiny rahateo ny miahy ireo olona marefo toy izao”, hoy ihany izy.
Notolorana “paniers garnis” avy amin’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika manokana ihany koa ireo mponina traboina ary nahazo akanjo ny ankizy.
Hisy ihany koa ny fanohanana manokana ho an’ireo vehivavy bevohoka miisa roa izay traboina raisina an-tanana ao Tsarafara, Sabotsy Namehana. Notolorana “kit d’accouchement” ary horaisin’ny fikambanana Fitia an-tanana ny fiterahan’izy ireo, araka ny fanazavana azo.
Ho an’ny kaominina Sabotsy Namehana, nahitana traboina ny fokontany Tsarafara, Ambodirano, Botona ary Ambatofotsy. Toeram-pandraisana ireo traboina ny EPP Tsarafara ao amin’ny fokontany Tsarafara, 33 ny tokantrano mialokaloka ao, ahitana olona 150. Foibe fandraisana faharoa ny EPP Ankadikely, anatin’ny fokontany Ankadikely, mandray tokantrano 48, manana olona 216. Toeram-pandraisana fahatelo ny ao amin’ny EPP Ambohipanja, anatin’ny fokontany Ambohipanja, mampiantrano olona 300 avy amin’ ny tokantrano 79 isa.
Vonjy