Namela takaitra mavesatra any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ilay rivodoza Jude nandalo tamin’ny faran’ny herinandro teo, tany an-toerana. Raha ny tatitra vonjimaika avy amin’ ny BNGRC ho an’ny sabotsy teo, olona 9 698 no traboina, avy amin’ny tokantrano miisa 3 085.
Ao Ampanihy Andrefana ny 409 amin’ireo, ao Toliara I ny 1 983, ao Toliara II ny 7 225 ary ao Benenitra ny 81.
Olona 7 460 kosa no tsy maintsy nafindra toerana vokatry ny fiakaran’ny rano amin’ny toeram-ponenany.
Nahatratra 597 ireo trano dibo-drano ary 1 243 ny simba. Mitontaly 674 kosa ireo trano potika noho ny rivo-mahery.
Ny prefektoran’i Toliara dia namoaka fanambarana fa miverina amin’ny laoniny ny fiainana manomboka anio.
Mianatra manomboka anio ny mpianatra rehefa naato nandritra ny fandalovan’ny rivodoza. Miverina miasa koa ny mpiasa rehetra fa efa lasa ny loza. Miasa avokoa ny fitaterana an-tanety rehetra. Mbola voarara kosa ny fivoahana an-dranomasina ho fiarovana ny ain’ny mpiandriaka.
Tatiana A