Malagasy tsy mataho-tody. Malagasy mpivarotra tanindrazana. Malagasy tsy matahotra an’Andriamanitra. Malagasy sahy mandatsaka aina. Malagasy mpanindraindra sy mpanao an-doloha ny fomban’ny hafa. Malagasy mpamadika… Tsy misy idiran’ny politika sy ny toekarena ireo tranga mamotika an’i Madagasikara ireo. Tranga maneho fa potika manaraka ny kolosaina ny fiarahamonina malagasy. Ratsy kolokolo ny sain’ny Malagasy. Tsy manana olom-banona hatao fitaratra i Madagasikara? Iriariavan’ny maty eritreritra sy mpanao « tompoko, tompoko » (mpihatsaraivelantsihy) any anaty fiarahamonina…
Nitondra faharavan-javatra maro ny fahapotehan’ny kolosaina teo amin’ny Malagasy. Firy tamin’ireo didy aman-dalana navoaka teto Madagasikara no niteraka fifamaliana sy fifandrafesana teo amin’ny samy Malagasy noho ny tsy fifankahazoan-kevitra ny amin’izay tena tian’izy ireny hambara ?… Satria tsy fomba fisainana malagasy, tsy fiteny malagasy, tsy hitsinjovana ny tanindrazan’ny Malagasy, sns, no namolavolana azy ireny hany ka samy nandroritra izay heveriny fa dikany.
Efa voaporofo ihany koa fa tsy ny fananana diplaoma manaka-danitra no hanala an’i Madagasikara ao anatin’izao lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana izao fa ny fananam-panahy sy fananam-pahendrena. Kolosaina madiorano ireo fa tsy resa-politika na toekarena ventimbetesina etsy sy eroa.
HaRy Razafindrakoto