Rose, mpanakanto andriambavilanitra, zanak’Antsohihy, nahavita dingana lehibe tao anatin’ny fotoana fohy. Tombony ho azy ny efa nilonany an-taonany maro tao anatina antoko mpihira (chorale). Ankoatra io, fanomezam-pahasoavana goavana ny fananan’i Rose ilay feo somary migobona (hahenoana beso) nefa kanto. Tsy faheno loatra amin’ireo vehivavy mpanakanto miangaly mozika eto Madagasikara io feo io. Mahafehy ny karazan-kira na gadona maro i Rose. Singanina amin’ireny ny « zouk love », « slow », « reggae », sns. Tsy ny hanala voly ihany no antom-pisian’ny tarika Rose, izay ahitana mpikambana miisa 12, fa ny hanabe ho olom-banona ihany koa.
Maro ireo fiakarana an-tsehatra efa vitan’ny tarika. Anisan’ireny ny fandraisana anjara tamin’ny « Festival Somaroho ». Ny fampisehoana tany amin’ny faritry Sava. Vinanasan’ny tarika amin’ity taona 2025 ity ny famoahana hira vaovao sy fampitomboana ny fiakarana an-tsehatra ho fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy. Hampiakatra avo ho any amin’ny tsara kokoa hatrany ny lentan’ny mozika. Ampahany amin’ireo hira nahafantarana an’i Rose ny « Mpankafy » sy ny « Ngôma vadin’olo ». Tsy ho ela ny famoahan’ny tarika tsanganasa vaovao mamelabelatra ny tontolon’ny fanambadiana.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto