TARATRY ny KANTO

Fampirantiana mahakasika ny teny frantsay, etsy amin’ny Alliance Française Andavamamba. « Ecrire en français : histoire de langues et voyages de mots », no lohahevitra mandritra ity herinandron’ny Frankôfônia  ity. Misy ny tantaran’ny teny, ny karazany sy ny fampiasana azy manerana ireo firenena miteny frantsay, sns, no haranty ao. Hisokatra manomboka anio izany ka tsy hifarana raha tsy ny 23 avrily izao.

Manan-talenta ny Malagasy. Ny fahitana ny zava­kanto ataona Malagasy (hira, dihy, asa tanana…), matetika no miteraka io fanehoan-kevitra io. Saingy, mbola maro amin’ireo manan-talenta amin’ny zavakanto ireo no malaindaina mianatra. Hatramin’izao, ohatra, mbola tena vitsy ny mpihira na mpitendry zavamaneno no mahay solfezy, satria, mbola manana faka ao amin’ny Malagasy ny hoe: “an’ny vahiny ny solfezy”!

Kolontsaina, zavakanto, soatoavina… Mitam­batra ao anatin’ny lalao fanorona ireo. Saingy, tsy mifanaraka amin’ireo ny fipariahan’ny fanorona manerana ny Nosy. Isaky ny fokontany no tokony hahitana ny kianja filalaovana fanorona. Antony lehibe hamerenana azy ity ho eny anivon’ny fiarahamonina malagasy indray ny fahitana fa mivaona ny fahendrena malagasy.

Mbola misy ihany ny manafangaro. Samy hafa tanteraka ny “ody gasy” sy ny “ody ratsy”. Ny iray fana­fana, na fanalana aretina. Ny faharoa, fandravana ny soa sy ny tsara. Mbola maro ny Malagasy matahotra ny mampiasa fanafody voajanahary. Tarazo navelan’ny vahiny nandritra ny fanjakazakana nataon’izy ireo teto Madagasikara no anisan’ny antony mahatonga izany.

Partager sur: