Andro maneran-tany ho an’ny poezia: Miha tanora hatrany ny mpanoratra

Tsy manakana ny mpanoratra tsy hanakorisa ny peniny ny fahalaindainan’ny Malagasy hamaky boky. Tsy voatery ho boky rahateo no ahafahana mianoka ny hakanton’ny soratra (poezia, tononkalo, tantara…), amin’izao vanim-potoana izao.

21 marsa, «Andro ma­ne­ran-tany ho an’ny poezia», araka ny nambaran’ny Sam­pandra­ha­rahan’ny Firenena mikambana misahana ny kolontsaina sy ny fanabeazana (Unesco). Mana­marika io andro io i Mada­ga­sikara.
Mitombo isa andro aman’alina rahateo ny poety sy ny mpanoratra eto amin’ity Nosy ity. Raha ny salanisa any anivon’ireo fikambanana mijoro manandratra ny hasin’ny soratra. Saika tanora ny ankamaroan’ny mpanoratra mpikambana. Eo amin’ny 65% ka hatramin’ny 72% ny mpikambana any amin’ireny vondrona na fikambanana ireny no latsaky ny 25 taona. Any an-tsekoly indray, kilasy faha-6, efa ahitana mpianatra tia manoratra (poezia, tononkalo, tantara foronina). Na tsy mbola sahy maneho ireny asa sorany ireny aza ry zareo. Hita taratra fa misy ny maharesy lahatra izay mamaky izany. Arakaraka ny hiakarana kilasy, mitombo isa ireny tanora mirotsaka eo amin’ny fanoratana ireny.
Any anivon’ny fikambanana, any an-tsekoly, samy isongadinan’io fahamaroan’ny poety sy tanora mpanoratra mbola erotrerony io avokoa. Hatramin’izao, anefa, mbola vitsy amin’ireny no mahafehy ny fitsipiky ny teny malagasy. Antony miteraka tahotra ho an’ireo mpanoratra zoky raha sanatria ka manaraka ny fitombon’ny isan’ny mpanoratra ny isan’ny teny malagasy diso fanoratra, diso dika, sns.
Maneho ny fahavelomana sy fivelarana ny fitomboan’isa. Saingy, misy adidy sy asa miandry ny tontolon’ny soratra eto Madagasikara. Mila fifampizarana sy fifanakalozana eo amin’ny tanora sy ny zoky itoeran’ny talenta manoratra. Faharoa, mila mianatra sy mifehy ny fahaiza-manoratra (fitsipika) ireo tanora mpanoratra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: