Hafa ny fahaiza-mitendry… Mbola talenta hafa noho ny hafa koa ny fahaizana manamboatra zavamaneno. Tena an-kavitsiana ny Malagasy manamboatra zavamaneno ka mahazo ny fitokisan’ireo mpanakanto maro. Voalohany amin’ireny i Herbert William Bary Hery Son Lala, fantatra amin’ny anarana hoe Hery Glita. Tsy izy akory ny Malagasy voalohany nanamboatra zavamaneno misy tadiny na “luthier”, saingy i Hery Glita no nahavita nametraka ny anarany tamin’ny alalan’ny sanganasany.
Ny taona 1974 i Hery no nanomboka ny fanamboarana gitara. “Mpandrafitra ny rainay ary mpanamboatra harmonia tamin’izany. Nitsiry teo amiko sy ny rahalahiko ny hoe hanamboatra gitara, izay hotendrenay. Tsy tonga lafatra saingy nahavita izahay tamin’izany, izay tsy nampoizina hoe hanokatra ny lalana”, hoy ny tadidin’i Hery Glita. Rehefa nitady asa teny ka tsy nahita izay nahafa-po, nanohy ny fandrafetana ka nanapa-kevitra ny hifototra amin’ny fanamboarana gitara izy, roa taona taty aoriana.
Na Malagasy na vahiny…
“I Njila no mpanakanto nahatoky ahy voalohany indrindra. I Bouboul (Ramboatiana Etienne) kosa no mitsara ny gitara vitanay tamin’izany. entina midina eny aminy, eny Anosy, izay vita, izay vao alain’ireo mpanakanto. Nanaraka avy eo ry Dama, Rambao, Erick Manana, sns. Saika nampanamboatra gitara ahy avokoa ireo mpanakanto mpanao vazo an-gitara ireo”, hoy ny fitantaran’i Hery Glita.
Fa tsy ny Malagasy ihany anefa. Noho ny lazany izay niampita toha-tsofina teny, nisy vahiny tonga manokana teto Madagasikara nitsidika ny toeram-piasany. “Misy tamin’ireo mpizahatany fotsiny, fa maro koa ireo tena mpitendry, toa ilay mpikambana ao amin’ny Scorpion izay nampanamboatra gitara ho azy manokana tato amiko”, hoy hatrany i Hery.
Inona ilay tsiambaratelo?
Asa voakaly, misy kalitao ary manara-penitra fa tsy hoe tsiambaratelo ny ao ambadiky ny lazan’i Hery Glita. “Tamin’ny vao nanomboka ihany aho no nanamboatra gitara mba hamidy. Taorian’izay ka hatramin’izao dia kaomandy daholo, na avy amin’ireo mpanakanto na olon-tsotra mpankafy zavamaneno fotsiny. Ny fanamby apetrakay dia ny hahavita zavamaneno tsara kokoa noho ny vita avy any ivelany, vita tanana zato isan-jato”, hoy hatrany ity mpanamboatra zavamaneno ity.
Efa ireo ny mpandimby
Efa 50 taona nanamboarana zavamaneno i Hery Glita… Nandova azy, rehefa nanovo traikefa tao aminy ihany, ireo zanany mirahalahy, Solohery Faly Nirina (SFN Badoda) sy Rinaharivelo Mamy Tahiry (Mamy Glita). “Niezaka nanohana anay tamin’ny fianarana i Dada sy i Mama ary nahavita ihany izahay. Efa tao anaty ra anefa ny fitiavana ilay zavamaneno ka samy roboka tato koa izahay mirahalahy. Nanao tsikelikely teo, nampiana-tena fa rehefa tsy tafavoaka vao naka hevitra tamin’i dada”, hoy ny fitantaran’i Badoda, izay anarana napetrak’i Dama fony izy kely, mampanamboatra gitara ao amin’i Hery Glita. Anarana efa mitoetra koa anefa ny an’i Badoda sy i Mamy Glita amin’izao.
“Efa manana traikefa ambony noho izaho ry zalahy ireo amin’izao. Tena tsy mena-mitaha amin’ny vitan’ny vazaha, ary izay rahateo no nampitaina taminy”, hoy i Hery Glita, somary nanafina ny fireharehany noho izay talenta niampita izay.
Nihoatra noho ny rainy, satria namorona karazan-gitara, kabaosy, lokanga, sns, nivoaka kely noho ny mahazatra ry Badoda. “Misy ireo mpanakanto mitady izay hampiavaka ny zavamanenony ka hatao araka izay tiany izany. Tsy afaka miala amin’ny fototra kosa anefa. Efa nisy koa, ohatra, ny kabaosy silent, izay noforoninay manokana”, hoy i Badoda.
Manahoana ny vidiny?
Vita avy amin’ny hazo avy eto Madagasikara ny 70 % ny zavamaneno vokarin-dry Hery Glita sy ny zanany. Ny Table d’harmonie kosa no hafarana avy any ivelany. Toraka izany ny “mécanique” sy ny “cordes” isan-karazany. “Efa miha lafo na ny hazo eto an-toerana aza, kanefa mbola lafo dia lafo koa ireo hafarana avy any ivelany. Tsy mampiasa ny vita sinoa izay mora kokoa izahay, satria manjary tsy miavaka amin’ireo gitara vita sinoa mitobaka eto izany. Vita tanana manontolo ka tsy manam-paharoa ny zavamaneno tsirairay vokarinay eto, ary iray volana fara-fahahaingany vao mahavita gitara iray. Izay no somary mahalafo azy, manomboka eo amin’ny 1 tapitrisa Ariary eo. Ny kabaosy “éléctro-acoustique” kosa 700 000 Ar no hamarotanay azy”, hoy hatrany i Badoda.
Mitendry daholo ve?
Fanontaniana manitikitika ny maro amin’ireo mpanamboatra zavamaneno matetika io. Mahay mitendry, ary anaty tarika tokoa moa izy ireny? Ho azy telo mianaka, mazava loatra fa efa ao anaty koa ny fahaizana mitendry ny zavamaneno misy tadiny. “Ny an-dry dada tena hoe nitendry ho fialamboly fotsiny mihitsy. Izaho no nitendritendry anaty tarika, ary manam-pikasana ny hanangana tarika ihany koa amin’izao”, hoy hatrany i Badoda.
Mba hetahetan’ireto zanany ny hisiana hetsika iray, hanomezam-boninahitra an’i Hery Glita sy ny asa vitany…
Nangonin’i Zo ny Aina Randriatsiresy