Zavakanto tsy lefin’ny vanim-potoana ary mitoetra maneran-tany ny poezia. Toy ny isaky ny 21 marsa, miezaka manamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny poezia ireo poeta manerana ny Nosy
Tsy nandalo fotsiny. Faritra maro no nahazoana akony, fa nanamarika ny Andro maneran-tany ho an’ny poezia sy ny angano, omaly 21 marsa. Anisan’ireny ny tany Melaky, Anôsy, Itasy, Alaotra Mangoro ary Analamanga. Saika nitovitovy avokoa ny fisehony, satria nomena sehatra ireo poeta sy mpitantara angano mba hizara ny talentany, indrindra tamin’ireo mpianatra. Ny tany Melaky, ohatra, nanompanana kokoa ny fotoana tamin’ny fitantarana angano ho an’ireo mpianatry ny sekoly La Pépinière. Ny tany Fort Dauphin kosa, nisy ny fifaninanana tafasiry sy tononkalo ho an’ireo mpianatra ambaratonga fototra tao amin’ny EPP Lohalovoky. Nihetsika koa ireo poeta mpikambana ao amin’ny Havatsa Upem any Miarinarivo Itasy, nanao antsan-tononkalo sy fitantarana angano ary fanazavana momba ny tenindreny. Fifaninanana jijy sy tononkalo kosa no nitranga tao amin’ny Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina ao Ambatondrazaka. Ho an’Analamanga manokana, nisafidy an’i Manjakandriana ny fitaleavam-paritry ny kolontsaina sy ny serasera, nanamarihana izany. Nifarimbona ireo mpanoratra toa an-dry Baliaka, Ra-Zo, Tsiavahana, sns, nizara ny talentany nanoloana ireo mpianatra tany an-toerana.
Efa nanomboka ny herinandro lasa teo, tamin’ny alalan’ny velakevitra tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny fanamarihana ho an’ny angano. Mpanoratra roa samy manana ny maha izy azy no nifarimbona tamin’izany, i Mina Ilarion nizara ny “Angano, tafasiry tsy ho lany manja” sy Rakemba, nitondra ny “Biby olona sa olona biby”.
Hotohizan’ny Faribolana Sandratra, amin’ny alalan’ny “zarafanahy” ny fanamarihana, anio manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CGM Analakely. Hiray sehatra mandritra izany ireo poeta marolafy, toa an-dry Arielatra, Mahefa Kantomboahary, Hantanoro, Lalaina Ravahy, Mioty Voary, Ranhiry, Radzaonasy, Indiamahery ary i Sy Ratolojanahary.
Zo ny Aina