« Duo de choc » : Folo taona nizarana ny « mozikan’ny fo » i Yvon Paul

Razakarivony Yvon Paul, fantatr’ireo mpankafy ny kanto an-kira sy mozika amin’ny hoe Yvon Paul. Mandia ny faha-10 taona nikirakirany mozika amin’ity taona 2025 ity. Mpana­kanto miezaka hatrany ny manome lanja ny tononkira sy ny fandrindrana izany mba hahafeno ny famaritana ny kanto. 10 taona nizarana ny « mozikan’ny fo » izay azo adika ho mozika miaina sy misy fanahy. Ravahan’ilay feo rakotra angola sy ireo zavamaneno tsotra (acoustique) toy ny gitara tsotra, korintsana, karazana amponga, sns. Tononkira misy hafatra mafonja narafitra mba hanana endrika kanto. Anisan’ny mampiavaka an’i Yvon Paul ilay fomba fanononana ny tononkira. Ezahany hazava tsara mba ho tafita any amin’ireo izay maheno ny sanganasany, ireo hafatra raketiny.
Hisy ny « Duo de choc ». Ny sabotsy 5 avrily ho avy izao, hanomboka amin’ny 7 ora hariva, etsy amin’ny Sooatel (Piscine du boulevard 67 Ha) no hanamarika ny faha-10 taona niangaliany ny « mozikan’ny fo » i Yvon Paul. Tsy handeha irery izy fa hiaraka hanamarika, aminy, izany ihany koa i Parish. Ho vahiny manokan’i Yvon Paul kosa ny andriambavilanitra mpanakanto Stella Lyncha, miavaka amin’ny fananany feo kanto. Anisan’ny hira ahafantarana ity mpanakanto ity sady tsy afaka eo am-bavan’ny maro ny « Tsy magnino », « Samy love ». Vazo vao nivoaka vao haingana kosa ny « Olon-tsara ».

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: