Anisan’ny hetsika lehibe andrasan’ny mpisehatra amin’ny tontolon’ny sarimihetsika izy ity. “Madagascar Film Festival – ISSM Awards 2024”, izay hotontosaina mandritra ny dimy andro, hanomboka ny 26 marsa izao. Saika ao amin’ny Havoria Anosy avokoa ny hetsika, ka hisy ny fandefasana horonantsary hifaninana isaky ny sokajy ny 27 sy 28 marsa izao. Hatao andro atokana ho fahatsiarovana ny Raharaha 47 kosa ny andron’ny 29 marsa, ka handefasana indray ilay horonantsary “Ilo tsy very”. Ny 30 marsa ilay fotoan-dehibe andrasan’ny rehetra, hanomezana ireo loka isan-tsokajy.
Raha tsiahivina, ireo sarimihetsika nivoaka hatramin’ny taona 2000 no mankaty no afaka mifaninana, satria sambany no hisy ny hetsika. Trano mpamokatra maro no efa nandefa ny vokatra tao aminy hifaninana, mba hahazo ireo fankasitrahana izay zava-dehibe ho an’ny mpisehatra. Mpitsara manokana tsy ao anatin’ny komity mpanomana no hiandraikitra izany. Ny Ivontoeran’ny sarimihetsika sy sarimiana eto Madagasikara na ny ISSM no mikarakara izany.
Zo ny Aina