Hiverina indray ny ady hiragasy, etsy amin’ny Kianjan’ny hiragasy Ampefiloha. Hifandona, rahampitso, ry Fredy Kely avy eny Imerintsiatosika sy ry Rapaulson avy any Fenoarivo Gara. Manomboka amin’ny 10 ora maraina ny fidirana voalohany, haharitra mandra-paharivan’ny andro izany.
27 marsa ka hatramin’ny 31 marsa. Hanamarika ny Taombaovao Malagasy eny Ambohidratrimo ny Malagasy iray hasina (Ma.i.ha). Lohahevitra hampahafantarina amin’izany: “Ny omby sy ny tontolo iainana”. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny velatseho, fampiofanana ho an’ny vehivavy, ny afo tsy maty, tsodrano sy vary amin-dronono tondrahan-tantely ary ny fifaninanana fanorona.
Tsy mampandroso ny tsy fahaizana tantara. Tsy ho an’ny firenena ihany io fa ho an’ny olona tsirairay, ho an’ny fianakaviana sy ny ankohonana, sns. Hatramin’izao, anefa, mbola tsy zava-dehibe ho an’ny ankamaroan’ny Malagasy ny fahafantarana ny niandohany (razana, tanindrazana, fomba…). Io no anisan’ny mahatonga an’i Madagasikara ho very fototra ka mora viravirain’ny hafa.
“Tsy ho ela…”! Io no fampiomanana nataon’ny Zanabaliha Valiha Académie ny mpitia zavakanto. Araka ny fantatra (na mbola amin’ny ampahany ihany aza). Hanatanteraka seho miavaka amin’ny alalan’ny fahaiza-mifehy ny valiha ry zareo atsy ho atsy. Ankizy sy tanora ary lehibe no hifarimbona hanatontosa izany. Miandry ny filazana ny fotoana ny olon-drehetra!