Velom-bolo indray ny rehetra taorian’ny fandresena azon’ny Barea de Madagascar, ny alarobia lasa teo. Lojika izany satria efa fotoana ela tsy nigoka ny tsiron’izany fandresena izany. Vao dingana anefa no vita fa ny tanjona tsy mbola tratra ka aleo malina tsara. Toy ny bevohoka mita lakana mantsy izao, ka tsy mbola hay na ho tafita na ho rendrika. Mbola lavitra ny lalana ary feno kitoatoana ka aleo mitandrim-pamindra tsy ho solafaka. Hifanandrina amin’ny Gôliatan’i Afrika indray ny Barea, amin’ity anio ity. Mila misikim-ponitra ny rehetra, miray hina fa tsy misy sarotra tsy resin’ny fahavononana. Atao fitia mifamaly ny an’ny mpilalao sy ny mpijery ka hahatsara fihavanana.
Tsy mety ny manao sakaizan’ny mpandresy fa tsy mifanary tia an-kasoavana na an-karatsiana. Iray vatsy iray aina, iray etrok’afo iray dinidinika. Miaramila mian-tafika izao ka tsy mbola hay na ho faty na ho velona, saingy matoa mian-tafika vonon-kandresy. Matoky fa hitondra babo mody. Aleo mifanalavitra toy ny atsimo sy avaratra ny fifanaratsiana sy ny fifandrafiana.
Tadidio fa ny ganagana no mpitsingolongoloka, ny lalitra mitsentsitra maso didy kanefa ny ganagana mpitsingoloka, entin’ny olona amin’ny tendany ary ny lalitra mpitsentsitra tra-tehaka amin’ny ataony.
Tsy fanao ny mandeha irery an-tany lavitra fa manamora ny asan’ny mpifanandrina. Aleo ho toy ny firaka, mamay miara-rendrika, mangatsiaka miara-mivaingana. Tsy mba tsiriry vorona hanifi-drano dia lasa fa ny tsiriry ahitra manorim-paka amin’ny tany na ny manta mbola hotoazana, fa ny masaka efa nihintsana. Toy ny bevohoka mita lakana tsy hay na ho rendrika na ho tafita.
Tompondaka