E-Sport: Masoivohon’ny marika Orange i Kimi

Manomboka izao, lasa masoivoho ofisialin’ny marika Orange Madagascar, i Fano­mezantsoa Tsiaro, fantatra amin’ny solon’anarana hoe : Tsiaro. Io no fanambarana navoakan’ity orinasam-pifandraisana ity, tao amin’ny tambanjotra seraserany, omaly. Mpilalao mana-talenta ary sangany amin’ny E-sport afrikanina ny tenany.
Raha tsiahivina, nandrombaka ny fandresena tamin’ny Swahili E-sport Champion, tany Nairobi Kenya sy ny Kongo E-sport Champion, tany Kinshasa, i Kimi izay naneho izay fahaiza-manaony izay sy ny fahasahiany. Iraka ho tanterahiny amin’izao maha masoivoho azy izao ny hampiroborobo ny marika Orange Madagascar, amin’ny fifaneraserana amin’ny fiaraha-monina ary ny fandraisany anjara amin’ireo fifaninanana isan-tokony. Tafiditra ao anatin’izany koa ny fiaraha-miasa amin’ny Gascom hiantoka ny famoronana mahasarika eo amin’ny eo amin’ny sehatry ny E-sport. Fiaraha-miasa stratejika miaraka amin’ny Satchio, hisahana ny fikarakarana fifaninanana E-sport. Hanampy amin’ny fananganana sy hampatanjaka ny sehatra E-sport eto an-toerana, amin’ny alalan’ny fifaninanana toy ny Orange Be talenta sy ny Orange Be the hero. “Mino izahay ny mety hisian’ny E-sport mba hampivondronana, ha­nen­tanana ary hanehoana talenta. Ma­namarika dingana vaovao amin’ny fanohanana ireo mpilalao malagasy sy ny fampiroboroboana ny fanavaozana eo amin’io sehatra io ireo fiaraha-miasa ireo”, hoy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord.

Tompondaka

Partager sur: