Fifanintsanan’ny Mondial 2026 : Miandrandra fandresena amin’i Ghana ny Barea de Madagascar

Hifantoka atsy Maroc avokoa ny sain’ny mpitia baolina kitra malagasy anio. Hifandona amin’ny Barea de Madagascar ny Black Star Ghana. Hiankina amin’io tokoa ny mety hahamora sy hahasarotra ny dian’ny Barea any amin’ny Mondial 2026.

Tonga ity ny fotoana! Hotanterahina anio, ao amin’ny kianja Al Hoceima Maroc, ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy ny Black Star Ghana. Lalao izay tafiditra amin’ny andro fahenina amin’ny fifanintsanan’ny Mondial 2026, izay hatao any Meksika sy Etazonia. Araka ny efa fantatra, ny zoma ariva teo no tonga tany an-toerana ny ekipa nasionaly Barea. Efa niatrika fanazarantena avy hatrany moa izy ireo vao tonga tany Hoceima.
Tsiahivina fa mbola manala vela amin’i Ghana ny Barea. Resin’ireto ekipa ganeanina ireto, 1 no ho 0, ny ekipam-pirenena malagasy, teo amin’ny andro voalohany ity fifanintsanana ity. Mitarika eo amin’ny laharana voalohany ao amin’ny vondrona “I” ny Black Star Ghana, raha toa ka i Madagasikara no faharoa manaraka azy ao.


Samy nahazo isa telo avy ireto ekipa roa tonta ireto teo amin’ny andro fahadimy. Ny Barea nanamontsana ny Les Fauves Centrafrique, 4 no ho 1. Ny Black Star kosa, nandavo an’i Tchad, 5 no ho 0. Heverina ho toy ny famaranana kely ity fifanandrinan’i Ghana sy i Madagasikara ity. Izay mivoaka mpandresy eo no laharana voalohany amin’ny vondrona “I”.
Na ho mora na ho sarotra
Kihon-dalana iray ho an’ny ekipa nasionaly malagasy ity fihaonana amin’ny Black Star Ghana ity. Tsara ny mampahafantatra fa raha mandresy an’i Ghana eo ny Barea, azo antoka fa ho mora amin’izy ireo ny lalana makany amin’ny Mondial. Saingy raha resy kosa, mety ho sarotra ihany ny dia, midina ny laharan’ny ekipa nasionaly malagasy ary mety hivarina any amin’ny laharana fahefatra any.
Ampatsiahivina ihany fa manana lalao efatra sisa ny Barea aorian’ity fifandonana amin’i Ghana ity. Mbola miandry ny ekipam-pirenena ny lalao faharoa hihaonana amin’i Mali, i Comores, i Centrafrique, i Tchad. Izay laharana voalohany amin’ity fifanintsanana ity dia mahazo ny tapakilan’ny Mondial 2026 avy hatrany. Izay firenena efatra mahazo laharana faharoa tsara indrindra kosa no hiatrika ny lalao sakan’ny Fifa.
Aorian’ity « fenêtre Fifa » ity, hivoaka tsy ho ela indray ny filaharan’ny firenena amin’ny baolina kitra. Araka ny fikarohana natao ihany, eo amin’ny laharana faha-116 i Madagasikara amin’izao fotoana izao.

Fitia Randria

Hoy izy ireo :

Mpanazatra ny Barea de Madagascar, i Corentin Martins :
” Efa fantatray fa ekipa goavana eto Afrika izany Ghana izany ary manana mpilalao sangany any Eoropa izy ireo. Hiezaka hatrany foana izahay ny hampiseho ny fomba filalaonay ary hiady hatramin’ny farany mba handresy azy ireo”.
Vodilaharana vaovao an’ny Barea, Jean Harisson :
“Miaina hafaliana tanteraka ny tenako ao anatin’ity ekipa nasionaly ity. Hiezaka ny hanome ny tsara indrindra avy amiko hatrany aho. Maro amin’ireo mpilalao ireo no efa fantako ka tsy dia sarotra tamiko no nifandray tamin’ireo mpilalao teny ambony kianja”.
Filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred:
“Tsy ho mora ny fihaonana amin’ny anio. Saingy tsy biby fampitahorana ny ekipan’i Ghana fa azo resena tsara. Hiezaka isika ny handresy azy ireo ary hamerina indray ny fifalian’ireo vahoaka malagasy”

Partager sur: