Futsal vehivavy – Mada 2025 : Tompondaka ny Disciples Fc Vakinankaratra

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja baolina kitra anaty efitrano, sokajy vehivavy, ny ekipan’ny Dis­ciples Fc Vakinankaratra, ny sabotsy teo, tany Toamasina. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 1, ny klioban’ny LFC2A Atsimo Atsinanana. Raha hiverenana hofintinina ny fifanandrinan’ny roa tonta, ny ekipa avy ao Antsirabe no nitarika tamin’ny isa 2 no ho 0, nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Teo amin’ny fidirana faharoa kosa vao nitoko iray ny LFC2A, saingy tsy nahasahala ny isa ry zareo fa mbola nampian’ny Disciples FC indray ny isa teny amin’ny solaitrabe. Tsara marihina fa natao hanomanana ny andiany fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, izay hatao any Maroc, ny 22 hatramin’ny 30 avrily ho avy izao ity fifaninanana ity. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany ny ekipa nasionaly malagasy Barea Ladies. Ao amin’ny vondrona “C” ny Barea, miaraka amin’ny Lionan’i Teranga an’i Sénégal sy i Tanzanie. Miisa 9 ireo firenena hiady lohany amin’ity andiany ity, ka anisan’ireo i Maroc, mpampiantrano. Miampy an’i Angola, Cameroun, Egypta, Guinée, Madagasikara, Namibie, Sénégal ary Tanzanie izany.

Fitia Randria

Partager sur: