Rugby – «XXL Top 12»: Hifandona amin’ny famaranana ny Cosfa sy ny FTM

Tsy nisy ny fahagagana fa vokatra efa nampoizin’ny rehetra no nitranga teo amin’ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby. Nivoaka ho mpandresy avokoa ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa (Bebaoty). Voahaja ny lojika raha ny voka-dalao teo amin’ireo dingana roa ireo.

Tsy mbola afaka namadika ny tantara ny TFMA sy ny Uscar, nandritra ny lalao manasa-dalana niadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara “XXL Top 12”, taranja rugby. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, omaly. Samy tsy naharesy ny mpifanandrina aminy avy izy ireo. Nomontsanin’ny Cosfa (Bebaoty), tamin’ny isa mavesatra 44 no ho 10 ny Uscar. Ny fizaram-potoana voalohany ihany no hany nahavita nanohitra ny Bebaoty ry zareo Kaominina. Samy nahatondra baolina nentin-tanana avokoa ny roa tonta. Na izany aza, nanantombo hatrany ny Cosfa izay nitarika tamin’ny isa, 19 no ho 10 teo am-pialan-tsasatra.
Fizaram-potoana faharoa, totoafo sy nanao tsindry mavesatra ry Maxim sy ry Gino ka nivoaka sempotra ny Uscar. Tsy nisotro rano mihitsy tamin’ireo hazakazaka nifandimbiasan-dry Gervais sy ny namany. Nisesy ny baolina nentin-tanana.
Teo amin’ny manasa-dalana faharoa, fihaonana tena nandrasan’ny rehetra. Tsy mbola afa-bela indray ny TFMA (Boaikely manohitra). Niondrika teo anatrehan-dry Koroka sy ry Lahatra ary i Jean Yves, tamin’ny isa 28 no ho 20 ry zalahy.
Niady ary tena nampitsanga-mitoetra ny fihaonan’ny roa tonta. Porofon’izany, ny isa teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, izay nisaraka 15 no ho 14 ka nitarika ny Manjakaray. Fahavoazan’ny TFMA ny filalaovany 14 taorian’ny karatra mena azon’i Thomson.
Hain’ny FTM ny nanararaotra io fahabangana io ka nanateran’izy ireo baolina nentin-tanana indray. Tetsy ankilany, “hors jeu” roa ihany no matin’ny TFMA. Hikatroka eo amin’ny famaranana izany ny FTM sy ny Cosfa. Tsy mbola voafaritra ny andro hanaovana izany lalao izany.

Tompondaka

Partager sur: