Taom-pikatrohana 2025: « Mahazo aina hatrany ny tontolon’ny hiragasy »

Hiragasy, kolontsaina anisan’ny mbola mahatazona ireo singa maro maha Malagasy ny Malagasy. Nosokafana, omaly, ny taom-pikatrohana 2025. Tonga maro ny mpijery…

Tetsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha no nanatanterahina ny « Hiragasy goavam-be », na­nokafana ny taom-pikatrohana 2025 ho an’ny hiragasy. Anisan’ny nampiavaka ity adin-kiragasy nifanandrinan-dRapaulson Fenoarivo Gara sy Fredy Kely avy any Imerintsiatosika, omaly, ity ny fahitana fa « mahazo aina hatrany ny tontolon’ny hiragasy. Tonga maro ny olona. Nisy ny avy lavitra ny Renivohitra. Mizotra antsakany sy andavany ny adin-kiragasy. Liana ny rehetra. Ahafahana milaza ireo fa mahazo aina hatrany ny tontolon’ny hiragasy », hoy ny filoha lefitry ny Fede­rasionan’ny mpihiragasy eto Madagasikara, Dadafara LT Production, nanamafy izany teny an-toerana. Nohama­fisiny fa « tarika roa samy andrarezina ireo. Fredy Kely, nilona naharitra tao anatin’ny hiragasy niaraka tamin’ireo efa manana traikefa matanjaka, toa an-dry Rainintelo sy tarika Dadalora. Rapaulson indray, zana-dRabemanan­tsoa, iray amin’ireo manana ny maha izy azy eo amin’ny hiragasy ».

« Tongava mifanakalo hevitra »
Nambaran’i Dadafara fa ilaina ny mampitombo sy mampivelatra hatrany ny tontolon’ny hiragasy. « Mila tohizina ny fahombiazana. Noho izany, mila ny hevitrareo izahay. Tongava hifanakalo hevitra isika. Tolory hevitra hoenti-manasoa ny hiragasy izahay mba ahafahantsika mandroso sy mampandroso ity zavakanto sady kolontsaina tsy ma­nam-paharoa eto anivon’izao tontolo izao ity ». Nanterina ihany koa ny maha fitaizana sy fanehoana ny maha Malagasy (teny, fitafiana,…) ny hiragasy. Antony lehibe tokony hanatsarana sy hampivelarana hatrany tontolon’ny hiragasy ireo raha ny fanazavany.
Fantatra fa hitohy hatrany ny fandaharam-potoana fa­naon’ny Federasionan’ny mpihiragasy. Hisy ny adin-kiragasy isaky ny faran’ny herinandro eo amin’ity kianja ity, aorian’ny 30 marsa izao.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: