TGC – Hosana Ambohijatovo Fitiavana: Nahatafita hafatra ny « Ambarao ny hatsarany »

Na tsy hipoka aza Antsa­hamanitra. Tsikaritra fa nahazo hery lehibe avy amin’ny fijerena ilay seho « Ambarao ny hatsarany » ireo tonga teny an-toerana. Nahatafita hafatra ny antoko mpihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana sy ny TGC. Samy naneho ny talenta sy ny fahaiza-mihira ary ny famoahana ny tiany hampitaina rahateo ireto tarika roa ireto. Nandray azy ireny ny teny an-toerana. Tao ireo nifantoka tanteraka. Nisy ny nanaraka ny hira niainga avy eny amin’ny sehatra.
Ho an’ny TGC manokana, ny fandraisan-dry zareo anjara tamin’ity « Ambarao ny hatsarany » ity no hetsika lehibe voalohany tamin’ity taona 2025 ity. Nomena vahana kokoa ireo hira anisan’ny nahafantaran’ny olona ny tarika. Heno sy tazana tsara ilay fananana traikefa matanjaka eo amin’ny fahaiza-mifehy ny feo sy ny gadon-kira ary ny fandrindrana ireo miaraka amin’ny zavamaneno. Tsy latsa-danja tamin’izany ny rodoben’ny antoko mpihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana. Ny fananan-dry zareo tononkira sy fifandimbiasam-peo anisan’ny mahasarika ny sofin’izay maheno izany.
… Samy manana ny mpitia azy ireto tarika roa ireto sy ny sanganasany. Anisan’ny nampiavaka ny « Ambarao ny hatsarany » ny nahitana fa zary fihaonan’izy ireo ny teny Antsahamanitra. Fiombonam-po sy fanahy lehibe tokoa no hita tao anatin’izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: