Araka ny fanadihadiana, vitsy ny trano misy rano sy herinaratra , izay amin’ny tanàn-dehibe no maro anisa. Ny fanadihadiana koa no nahafantarana fa manodidina ny 10 % no ahitana trano misy fidiovana manara-penitra sy fanariam-pako ary 20% mahery kely ahitana fandehanan’ny rano maloto .
Raha zahana ny singa rehetra, vitsy kely ny trano ahitana toeram-pidiovana manara-penitra na an-tanàn-dehibe aza. Tsy ambara intsony ny any ambanivohitra. Ireo azo laizaina fa antoniny dia ireo misy rano na jiro fotsiny. Misy fanorenana maro ny an-tanàn-dehibe sy ny manodidina azy noho ny fitomboan’ny mponina. Mibaribary ihany anefa ny elanelana eo amin’ny trano fonenana. Ao ny avo lenta, vitsy anisa ary ireo azo lazaina fa trano.
Hita ihany ny fitomboan’ny fanamboarana misy toeram-pidiovana , jiro sy rano ary herinaratra saingy mandeha miadana sady lafo. Ny maro anisa any ambanivohitra mbola mampiasa jiro amin’ny solika fandrehitra amin’izao taonjato izao.
Amin’ny ankapobeny, mbola tsy tsara orina, tsy manaraka ny fepetra amin’ny tokony ho izy ny ankamaroan’ny trano eto Madagasikara. Tsy misy rahateo ny mpanara-maso mahay avy amin’ny fanjakana, misy aza tsy mahazo fahazoan-dalana na tsy mangataka alalana amin’ny kaominina misy azy. Amin’ izay fahazoan-dalana manorina izay. Raha fintinina, tsy maintsy jerena ny toe-tany sy ny tena tompony sy ny sarin’ny trano haorina. Mbola hafa raha misy fikojakojana lehibe tokony hatao.
Noho izany, tokony takina mafy, raha eto an-toerana, ny fanamboarana manara-drafitra ara-dalàna, Tokony hisy politika momba ny fanorenana ao amin’ny koaminina iray hanatsarana ny toeram-ponenana. Hita ihany koa fa mibaribary loatra ny fahasamihafana. Araka izany, mila fanorenana manara-penitra, takina voalohany ny fisian’ny rano sy jiro, toeram-pidiovana ary fanariam-pako.
Fepetra takina amin’ny fanorenan-trano ireo na amin’ny fanajariana. Ny fivoriana iraisam-pirenena isan-karazany momba ny trano fonenana, nampanantena ny fitondram-panjakana rehetra fa raharaha maika ny fanorenan-trano. Aiza ho aiza ny eto Madagasikara , any amin’ny faritra rehetra amin’izao fotoana ?
Hahafantarana ny faripiainan’ny mponina
Ny fanadihadiana nataon’ny Instat (misahana momba ny antontanisa) tamin’ny 2018 no nahafantarana ny fari-piainan’ny Malagasy. Izay vaovao azo tamin’izany no nanome ny tontonlo iainan’ny mponina.
Namaritra izany ny fivoriana iraisam-pirenena maro, farany tany Istanbul tamin’ny 2016. Samy nanome toky ireo mpandray anjara, anisan’izany i Madagasikara fa hametraka lamina maharitra amin’ny fanajariana tanàna rehetra. Tokony tsy hisaraka amin’izany laminasa izany ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro .

Betsaka ireo tsy mandoa hetra trano
Eto an-toerana, ankoatra ireo manana eo am-pelatanana, ao ireo mindram-bola amin’ny banky ohatra, ao ireo manangona fitaovana tsikelikely hoentina manorina trano, araka izay itiavana azy. Misy ihany manorina tsy mahazo alalana fa mandeha fotsiny amin’izao. Eo koa ireo tsy manaraka ny sary nataony. Ny fonenana any ambanivohitra, raha tsy matanjaka ny kaominina misy azy, maro ny manorina fotsiny.
Rehefa vita indray ny fanorenana, na an-tanàna-dehibe aza 8,5 % monja ny trano manana fiantohana, tsy misy rahateo ny lalàna mifehy izany eto an-toerana, fa rehefa simba ny trano, ohatra, ravan’ny rivo-doza, tsy misy miantoka izany.
Eto Madagasikara saika manerana ny Nosy, tsy mandoa hetra trano ny maro. Ny kaominina mijery fotsiny na tsy misy olona sy fitaovana hanaraha-maso izany. Raha ny salanisa, manodidina ny 37 % eo ny mandoa hetra trano ka eto an-dRenivohitra ny voalohany.
Tsy misy koa ny lalàna momba ny fanofana trano, toy hoe hofa faran’ny ambony sy isan’ny olona hipetraka fa izay ifanarahan’ny tompon-trano sy ny mpanofa.
Nanatontosa :
R. Mathieu