Baolina kitra – «World Cola PFL» : Mpampidi-baolina be indrindra i Pascal, AS Avenir Ste Anne

Tsy mbola misy ny daty ofisialy mampiseho ny fiverenan’ny fifaninanana nasionaly, “World Cola PFL”, taranja baolina kitra. Raha ny fikarohana natao omaly, mitarika vonjimaika amin’ny mpampidi-baolina betsaka indrindra i Pascal, lohalaharan’ny As Avenir Ste Anne. Tsiahivina fa niatrika lalao efatra ny tenany tamin’ireo andro enina ny fifaninanana efa vita. Marihina fa sambany i Pascal sy ny ekipany vao niatrika ity fifanintsanana World Cola PFL ity. Ny lohalaharana tahaka itony moa no azo heverina hanana ny hoaviny sy hampisongadina ny ekipa na­sio­naly malagasy, ka tokony hojeren’ny federasionina akaiky. Ankoatra izay, mitarika eo amin’ny laharana efatra voalohan’ny fifaninanam-pirenena, ny As Fana­lamanga, manana isa 13, ny CFFA Andohara­nofotsy, isa 11, ny Fosa Juniors Boeny, isa 10 ary manaraka azy ao ny Aje­saia, isa 10, saingy manatombo amin’ny baolina tafiditra ny Fosa Jr. Am­pa­ha­fatarina fa ny fifaninanana PFL, tokony hifarana ny volana jona, mba hahafantarana mialoha ny anaran’ny klioba izay hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ny “Li­gue des Cham­pions CAF”. Ity lalao ity koa dia natao hitsirihana ireo Ma­lagasy mpilalao izay handrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Ma­dagascar, any amin’ny « Chan 2024”, izay ha­tao ny volana aogositra ho avy io, any Kenya, Tanzanie, Oganda.

Fitia Randria

Partager sur: