Mbola miady amin’ny aretina, saingy efa mandroso ho salama. Henjana, araka izany, ny fitsaboana an’i Poon izay narary mafy tampoka any Frantsa. Miantso tolo-tanana ireo fianakaviana sy ny namany.
Anaty ady mafy. Ny faran’ny herinandro teo no tsy maintsy nampahafantatra ny rehetra, ny namana sy fianakavian’i Poon, fa anaty tsy fahasalamana izy any Frantsa, ary efa ho andro maromaro izao. Tratry ny aretina izay efa niotrika tao anatiny, saingy tsy nihasarotra raha tsy izy lasa any Frantsa ity mpanakanto ity. Tokony ho anatin’ny fanatontosana ireo seho maromaro nomaniny miaraka amin’ny Gasy Band mantsy izy, no izao tojo tsy fahasalamana izao. Henjana ny aretiny, satria nitarika tsy fahatsiarovan-tena nandritra ny andro maromaro izany. Vaovao mahavelombolo kosa no nampitain’ireo naman’i Poon any Frantsa, omaly. Efa nahatsiaro tena izy, saingy mbola marefo dia marefo ka tsy mbola afaka miresaka sy mihetsika. Mbola ho lava dia lava anefa ny fitsaboana mba hahasitrana azy tanteraka, raha ny nampitain’ireo mpitsabo, satria sady tsy mbola azo vangiana.
Manoloana izany, nanapa-kevitra ny hiantso tolo-tanana ny namana sy ny fianakavian’i Poon, satria lafo dia lafo ny saram-pitsaboana any amin’ny hopitaly any Frantsa. Efa ho 10 andro mantsy izao no tao anatin’ny antsoina hoe “soins intensifs” ity mpanakanto ity, kanefa manodidina ny 3 000 euros eo isan’andro ny saran’ny fitsaboana. Marina tokoa fa misy ny “assurance” amina tranga toa izao, saingy tsy miantoka manontolo izy ireo. Nanazava ihany koa ny naman’i Poon izay nanolo-tena hanokatra ny tolo-tanana any, fa sarotra ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana ny vahiny mandalo, ka nahatonga ny fanapahan-kevitra hiantso ny firaisankina eo amin’ny samy Malagasy, na eto Madagasikara na ry zareo mila ravinahitra any.
Araka izany, efa misokatra ny “cagnotte” ahafahan’ireo tsara sitrapo te hanampy an’i Poon. Eo ihany koa ireo seho hataon’ny namany ao amin’ny Gasy Band, ny zoma 4 avrily izao, any amin’ny Lapa Event ho an’ireo Malagasy monina any Frantsa. Hifarimbona hiray sehatra ihany koa ireo mpanakanto namany aty an-tanindrazana, ka hanatontosa seho tolo-tanana ny sabotsy 5 avrily izao, manomboka amin’ny 9 ora, eny amin’ny Espace Orion By-Pass Alasora. Mpanakanto maromaro no handray anjara amin’izany, toa an-dry Rija Ramanantoanina, Mbola Talenta sy Inah, Ry Kala Vazo, Farao, Rojo Ny Avo, Ony, Tolotra ary Douglas, Mahaleo Taranaka, Tojo Guitariste & Co, Luks y Mahery, Melky, Elsie, sns.
Afaka manao izay foy amin’ny laharana 034 60 747 51, amin’ny anaran’i Volonirina Helisoa, vadiny ihany koa. Io ihany ny laharana nampiasaina, fa efa misy misoloky hafa any anaty tambajotran-tserasera any.
Zo ny Aina