Fandresena tokana sy faharesena iray no azon’ny Barea tao Maroc. Resin’ny Kintana maintin’i Ghana 3 no ho 0 ny ekipa nasionaly malagasy, omaly.
Faharesena indray no azon’ny Barea de Madagascar, omaly, tao amin’ ny kianja Al Hoceima. Nomontsanin’ny Black Star Ghana, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny Barea de Madagascar. Marihina fa ity lalao ity, tafiditra amin’ny andro fahenina amin’ny fifanintsanan’ny Mondial 2026, izay hatao any Meksika sy Etazonia. Araka izany, mitana ny isa 10 izy ireo, ao amin’ny vondrona “I”. Raha fitinina fohy ny fifanandrinan’ny roa tonta, azo lazaina fa nanindry tanteraka ny lalao ny Black Star Ghana, zara raha nahita fanafihana ny Malagasy. Nandritra ny fidirana voalohany, ny Kintana maintin’i Ghana, no nanakobana ny harato voalohany, tamin’ny alalan’i Partey, ny minitra fahafolo. Io isa io ihany kosa no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Teo amin’ny fidirana faharoa, niraraka toy ny rano ny baolina tafiditra tao amin’ny Malagasy, ka lasa 3 no ho 0, niafaran’ny fihaonana. Tsy mbola afa-bela tamin’i Ghana ny Barea, tsiahivina fa efa resin’ireto ekipa ganeanina ireto, 1 no ho 0, ny ekipam-pirenena malagasy, teo amin’ ny andro voalohan’ity fifanintsanana ity. Tsy nampiova ny vokatra, ny fanovana ny Mpanazatra, ho an’ny Malagasy, izay efa tantanan’i Corentin Martins, teknisianina frantsay. Ampatsiahivina ihany fa manana lalao efatra sisa ny Barea taorian’ity fifandonana tamin’i Ghana ity. Mbola miandry ny ekipam-pirenena ny lalao faharoa hihaonana amin’i Mali, i Comores, i Centrafrique, i Tchad. Izay laharana voalohany amin’ity fifanintsanana ity dia mahazo ny tapakilan’ny Mondial 2026 avy hatrany. Izay firenena efatra mahazo laharana faharoa tsara indrindra kosa no hiatrika ny lalao sakan’ny Fifa. Rehefa vita moa ny « fenêtre Fifa », hivoaka tsy ho ela indray ny filaharan’ny firenena amin’ny baolina kitra. Araka ny fikarohana natao ihany, eo amin’ny laharana faha-116 i Madagasikara amin’izao fotoana izao.
Fitia Randria