Hetsika iray efa fanaon’ny “Commission Vétérans-Kata” nanomboka tamin’ny taona 2024, ny fifampizarana traikefa ho an’ny zokiolona sy ireo mpanao Kata. Mpikatroka sokajy Vétérans 50 teo nisitraka izany teny amin’ny Petit Palais Mahamasina.
Toy ny natao tamin’ny taona 2024, nanatontosa hetsika tetsy amin’ny Petit Palais Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny Commission Vétérans-Kata eo anivon’ny Federasionina malagasin’ ny Judo. Mpikaroka, teo amin’ny sokajy Vétérans manodidina ny 50 no namaly ny antso ary tonga nisitraka izany, raha ny nambaran’ny Maître Mamy Dongoza, anisan’ny mpitantana anatin’ity Komisionina ity, Hetsika voalohan’ny taona ho azy ireo izy ity, raha ny fanazavana hatrany. Feno ny fandaharam-potoana tamin’io sabotsy io, ka ny tapany maraina dia nisy fampivondronana, narahana fanaovana fanazarantena miaraka. Nisy ihany koa ny fifampizarana ireo zavatra ilaina sy tokony hatao rehefa hiatrika fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, tompondakan’i Afrika sy ny tompondaka maneran-tany, nomena sy natoro ireo mpiofana. Nifantoka tamin’ny Kata ny tapakandro hariva, izay nanaovana fampahatsiahivana ho an’ny mpampianatra mba hampianatra zavatra marina any anivon’ny klioba misy azy avy any. Nambaran’ny Maître Mamy Dongoza fa fanentanana sy fampirisihana sahady azy ireny, ny fifampizarana toy izao, mba hanao sy hahay kata dieny mbola kely. Herintaona teo moa no nitsanganan’ity « Commission Vétérans-Kata» ity, izay saika ireo judokas kalaza fahiny maromaro no mitantana ny birao. Anisan’izany ny Maître Mamy Dongoza, ny Maître Rasoanaivo Luc, ny Maître Vestalys, ny Maître Arsène sy ny maro hafa.
Mi.Raz