SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina ny 21 marsa lasa teo, tany Boeny, ny fifidianana izay ho filohan’ny ligy, taranja Taekwondo WT. I Vaha Simone Alice no voafidy hitantana indray izany. Fifidianana, nokarakarain’ny Comité Ad-hoc ny Fédérasionina malagasy TKD, ary natrehin’ny Talem-paritry ny Tanora sy fanatanjahantena tao Boeny mpisolo toerana sy ny lehiben’ny sampandraharaham-paritry ny fanatanjahantena any an-toerana.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny lalao famaranana teo amin’ny sokajy U16 sy N1B, taranja basikety, ho an’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja basikety. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny U16 ny ekipan’ny Fandrefiala sy ny ASSM. Nandrombaka ny fandresena kosa ny ekipan’ny ASSM sy ACA teo amin’ny sokajy N1B.
Ny 6 avrily no farany amin’ny fisoratana anarana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja volley-ball. Tsiahivina fa anisan’ny hiatrika izany ny ekipan’ny GNVB izay voahosotra ho tompondaka lefitra nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny Klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, natao tany Maorisy farany teo.
Tafita amin’ny dingana manaraka ny fifaninanana UEFA League des Nations, taranja baolina kitra i Portugal, afakomaly alina. Lavon’izy ireo tamin’ny lalao miverina, 5 no ho 3, ny ekipam-pirenen’i Danemark. Tsiahivina fa nahatafiditra baolina tokana tamin’izany ilay kintan’ny baolina kitra portiogey, i Cristiano Ronaldo. Hifanandrina amin’i Allemagne eo amin’ny manasa-dalana moa izy ireo.

Partager sur: