TARATRY ny KANTO

Tsy ny hira ihany no ao anatin’ny zavakanto fa maro. Iray amin’ireny ny asa tanana. Io ilay ahitana ny « indro kely ». Ao no « maha tafita ». Mampiavaka ny aingampanahy ihany koa. Manana ny maha izy azy ny asa tanana. Tsy voavidy na voasanda vola ny aingampanahy nenti-namorona azy ireny. Takona avokoa, anefa, izany rehetra izany, amin’izao vanim-potoana izao. Mbola zavakanto ve ny zava-bita ao anatin’ny hosoka? Io mantsy no anisan’ny mibaiko ny asa tanana ankehitriny.
Ny fifanajana no zava-dehibe. Tsy mitovy ary tsy hitovy ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao… Satria, tsy mitovy ny razana nametraka izany. Tsy mitovy ny toerana nipoirany. Tsy mitovy ny fianakaviana nampita, sns. Tsy manaraka ny lamina voajanahary ny fanaovana ezaka hampitovy azy ireny. Harena ny fahasamihafana. Nataon’ ny voajanahary hifameno ny zava-drehetra. Saingy, mbola misy ihany ny tsy mahafantatra ny momba azy ka miantsampy amin’ny an’ny hafa. Mila fitaizana!
Mitohy ny fanamarihana ny iray volan’ny teatra, ao amin’ny IFM Analakely. Hisy ny seho an-tsehatra hitondrana ny «Ho aiza», ny alarobia 26 marsa, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, izay hataon’ny Clowns sans frontières sy ny Compagnie Gasy miabo. Hitohy ny zoma 28 marsa manomboka amin’ny 6 ora izany, ka hanakatonana ny hetsika ilay seho « Impro Fusion ».
« The Voice » France. Anisan’ireo tsara toerana i Tifany B. Teratany malagasy izy, izay tafavoaka tamin’ny « audition à l’aveugle », satria naharesy lahatra ireo mpitsara. Efa mpihira sy mpamoron-kira i Tifany B, ka antenaina ho lasa lavitra amin’ity fifaninanana ity, sy hisongadina toa ireo Malagasy maro efa nandray anjara.

Partager sur: