Tsipy kanetibe : Izay klioba ara-dalàna no mifidy

Taonan’ny fifidianana ity 2025 ity, ho an’ny Federation sport boule malagasy (FSBM). Nambaran’ny tomponandraikitra tao amin’ny tambanjotra seraserany, ny 17 marsa lasa teo fa izay klioba ara-dalàna ihany no manan-jo mifidy. Araka izany, notsiahivin’izy ireo fa tokony hanavao ny taratasy manamarina ny fisiany ireo ekipa rehetra mihoatra ny 4 taona. Tokony ho vita mialoha ny hanombohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligy isanisany izany, izay hatao ny 12 sy ny 13 avrily, ho avy izao. Fifaninanana voalohany hahazoana isa, ho an’ireo mpilalao tsirairay avy. Tsy ny klioba ihany no voakasik’izany fa toy izany koa ireo seksiona sy ireo ligim-paritra.
Tsiahivina fa efa nisokatra ny 15 sy ny 16 marsa lasa teo ny taom-pilalaovana 2025, ho an’ity taranja nitondra avo ny lazan’i Madagasikara, teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity. Feno dia feno ny fandaharam-potoana, ho an’ny federasiona amin’ity. Hisantatra izany ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, hatao ny 2 ka hatramin’ny 4 mey ho avy izao. Hampiantrano ity fifaninanam-pirenena ity, ny ligin’i Vakinankaratra.

Tompondaka

Partager sur: