“Misy ifandraisany avokoa ny karazana tsy fandriampahalemana misy eto amin’ny Nosy. Rehefa noana ny vatana, tsy milamina ny fandraharahana sy ny tany ary mihafara amin’ny fifamoana izany”, hoy Ramamimampionona Gérard, mpandinika fiarahamonina, raha nanaovana fanadihadiana.
Maro ny antony mahatonga ny tsy fandriampahalemana, raha ny nambarany.
“Iray ihany ny fototr’izany dia ny fahaverezan’ny soatoavina ara-panahy sy ny tsy fanajana ny aina “, hoy izy. Tsy tokony ho sahy hanao ireo karazana habibiana ireo ny olona manam-panahy. “Tolotra iombonana ny aina ka iarahan’ny fiarahamonina mandray, iarahana miaro sy manandratra”, hoy hatrany izy. Antony mahatonga ny fihavanana eo amin’ny samy olombelona izany.
Eny anivon’ny fiarahamonina eny, antony mahatonga ny fifamonoana sy fandatsahana aina ny fialonana noho fitiavan-kely, ny fitiavam-boninahitra, fitiavan-karena, fitiavam-pahefana, valifaty sy maro hafa. Nohamafisiny fa ireny karazana toetra ireny ny antony mahatonga ny olona hanao herisetra sy famonoana. Eo koa ny fanafenana ny marina, misy fahefana tiana ho azo, ny fitiavana manao andranandrana. Ankoatra izay, ny valifatin’olona noho ny tsy fampiharana ny lalàna misy eto Madagasikara. Ny tsy fampanjakana ny fahamarinana araka ny tokony ho izy, ny firongatr’ireo olona mpamerin-keloka lava sy ny mpanao kolikoly amin’ny endriny maro samihafa. Ny tsy fampiharana ireo rehetra ireo no mampirongatra ny herisetra amin’ny endriny maro.
Lasa vahaolana ny fandatsahana aina
“Misy fandriampahalemana ny tany iray raha milamina sy mirindra ny fiarahamonina, ny vatan’ny olombelona tsirairay avy: (ny fony, ny sainy, ny vatany)”, hoy ity mpandinika fiaraha-monina ity. Nambarany fa milamina ihany koa ny fifaneraserana sy ny fifandraisana ka mankany amin’ny fiadanana. Tsy azo lazaina ho misy fandriampahalemana kosa, raha tsy mifanaraka amin’izany. Ankehitriny, ny ain’olombelona no ataon’ny sasany vahaolana mba hahazoana harena sy tombontsoa maro sy ho sandan-javatra iray ketrehina.
Andraikitry ny rehetra ny mitandro ny aina
Andraikitry ny olom-pirenena tsirairay avy, amin’ny asany ny fitandroana ny hasin’ny maha olona sy ny fanajana ny aina mba tsy hanao ratsy amin’ny olona. Ilaina koa ny fanamafisana ny fanabeazana sy ny fifanajana miainga eny anivon’ny fianakaviana, ny eny amin’ny sekoly, ny fikambanana maro samihafa eny anivon’ny fiangonana. Manana andraikitra goavana amin’izany koa ny mpitandro filaminana mba hiahy ny filaminana. Toa izay koa ny fampiharana ny lalàna araka ny tokony ho izy, indrindra eny anivon’ny fitsarana sy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, raha ny nambarany.
Manoloana my hamaroan’ny mpitandro filaminana raisina eto amin’ny Nosy, tokony ho olona vonona sy mazoto tsara amin’ny fitandroana ny filaminana ireo olona maniry ny hanao izany asa izany. Ialana ny fisian’ireo olona misolo ny rainy na ho mpikarama hitady vola fotsiny nefa tsy manam-piniavana amin’ny fitandroana ny filaminana akory. Tanjona ny hitandroana ny tanindrazana sy ny lalàna. Tokony hipetraka an-tsain’ny rehetra hatrany ny fitsinjovana ny taranaka amam-para. Ankoatra izay, mila ahitsy hifanaraka amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena malagasy ny endri-panabeazana misy. Tsy voatery ho mety eto avokoa ny endri-panabeazana rehetra misy any ivelany.
Tsy fandrosoana ny teknolojia raha…
Miroborobo be ny fandrosoana maneran-tany, noho ny fivoaran’ny teknolojia, amin’izao fotoana. Mihevitra ny olombelona sasany fa tsy mandroso mihitsy raha tsy manaraka ny fivoaran’izy ireny. “Izay rehetra mampivelatra sy mampitombo ny hatsarana ao anatin’ny olombelona ihany no atao hoe: fandrosoana”, hoy Ramamimampionona Gerard, mpandinika fiarahamonina. Nambarany fa tsy tafiditra ao anatin’izany, rehefa manimba ny vatana, ny saina, ny fo ary ny fanahin’ny olombelona. “Tsy azo atao hoe fandrosoana mihitsy izay mitarika ny fahasimban’ny fifandraisan’ny tsirairay, mahatonga ny karazana haratsiana rehetra”, hoy izy.
Mihevitra ny ankamaroan’ny olona, fa mandroso rehefa misy teknolojia, toy ny finday, ny tambajotran-tserasera, sy ny maro hafa. Misy ny mampiasa azy ireny hifanalana baraka, hifandaingana, hifosana olona, hanaratsiana namana sy ny maro hafa. Misy kosa ny mitondra sy mampiasa azy ireny ho amin’ny fanaovana soa, fitsaboana ary ny asa famokarana.
Nohamafisiny fa ilaina ny fahaizan’ny olona mandanjalanja ny fampiasana ireny heverina ho fandrosoana ireny. Ilaina ihany koa ny mamantatra ny voka-dratsy sy ny vokatsoa entin’ny fandrosoana isan-tsokajiny mba tsy hihinanana ambolony.
Nanatontosa : Mino