«Hararaoty ny andro azo hanaovan-tsoa» (Efe 5:16a) na «Don’t miss the chance». Io ny lohatenin’ilay fampisehoana lehibe hotanterahin’ny Chorale Maintimolaly Ambohitantely (CMA), ny zoma 28 marsa izao manomboka amin’ny 7 ora hariva, eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka. Haharitra adiny roa ny fampisehoana. Nasaina manokana ireo mpanakanto manana ny maha izay azy eo amin’ny tontolon’ ny hira. Anisan’izany i Iary izay nanome ny talentany ho an’ny hira evanjelika nanomboka ny taona 2024. I Malala «lead vocal» ao amin’ny tarika ‘Zay. Hiaraka hihira amin’ny CMA mandritra io seho io ihany koa i Nanie, talenta nokolokoloin’i Bessa, iray amin’ ireo namoron-kira ho an’ny Chorale Maintimolaly Ambohitantely, ary i Njakatiana andrarezin’ny hira malagasy noho ny fananany feo miavaka sy sanganasa ahenoina ireo karazan-gadona misy eto Madagasikara.
Tsiahivina fa anisan’ireo antoko mpihira manana ny maha izy azy ny Chorale Maintimolaly Ambohitantely. Mandia ny faha-44 taona
amin’ity taona ity ny CMA. Mahatratra 150 mahery ny isan’ny mpikambana ao aminy. Mihoatra ny 250 ny hira ananan-dry zareo.
Manome lanja ny fahasamihafana eo amin’ny gadonkira na karazan-kira (country, jazzy, malagasy traditionnel, klasika…) ny CMA. Tahaka izany ihany koa ny teny ampiasaina any anaty tononkira.
HaRy Razafindrakoto