Araka ny efa tanjona napetraky ny liginAnalamanga taranja basikety hatramin’izay, mifototra hatrany amin’ny fikarakarana ny eny ifotony izy ireo. Miainga any amin’ny katitakely hatramin’ny lehibe izany. Nambaran’ny filohan’ny ligin’ Analamanga, Andriatsima Hery, fa amin’ny fifaninanana rezionaly toy izao matetika no ahitana ireo mpilalao sangany sy manana talenta ka afaka handrafitra ny ekipam-pirenena hiatrika fifaninanana goavana. Izany indrindra no antony hikarakaran’ny ligy fifaninanana maro araka izay tratra mba hahafahan’ireo mpilalao mampitombo ny fahaiza-manaony. Tsy misy afa-tsy ny fiatrehana fifaninanana maro mantsy no ahafahana manatsara ny vokatra sy mampitombo ny traikefa ho an’ny mpilalao iray sy ny ekipa. Araka ny fandaharam-potoana, efa nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga ary ho tapitra ny volana mey izao. Hanao ezaka ny ligin’ Analamanga amin’ity taona ity amin’ny fikarakarana Fifaninanana. Eo ihany koa ny fampiasana ny kianja, izay nohamafisin’ny filohan’ny ligy, Andriatsima Hery, fa mila kojakojaina. Etsy ankilany, efa mandeha ny fifampiresahana amin’ny Oniversite an’Antananarivo, mahakasika ny kianjan’Ankatso, mba hohatsaraina sy afaka handray lalao indray.
Hitohy ny “Inter-Lycée”
Fifaninanana anisan’ny fanaon’ny ligin’Analamanga isan-taona ny “Inter-Lycée”. Nambaran’ny filohan’ny ligy fa hotohizana izany amin’ity taona ity ary hohatsaraina. Hiezaka ny hikarakara fifaninanana avo lenta ny ligy ary hampitomboina ny mpandray anjara. Zava-baovao amin’ity ny hampidirana ny basikety lalaovin’olona 3 (3×3) amin’ny fifaninanana “Inter-Lycée” mba ho fanomezan-danja izany, izay manavanana ny Malagasy mpilalao basikety. Tena manomboka misongadina eto Afrika sy maneran-tany mihitsy ny Malagasy amin’io basikety 3×3 io. Tsy ny “Inter-Lycée” ihany fa hoezahina ampidirina amin’ny fifaninanana hafa karakarain’ny ligin’ Analamanga koa ny basikety 3×3 amin’ity taona ity, raha ny fanazavan’ny filohan’ny ligy.
Hitarina ny fiaraha-miasa amin’ny ligy hafa
Anisan’ny nahafantarana ny ligin’Analamangan’ny basikety ihany koa ny fisokafany amin’ny ligy hafa. Misy ilay fifaninanana “Inter-ligues” efa fanao ary vao mainka hihatsara sy hihamafy izany amin’ity taona ity. Ligy efatra hatreto no efa miara-miasa amin’Analamanga, ahitana ny ligin’i Vakinankaratra, Bongolava, Amoron’i Manina ary Alaotra Mangoro. Misy ligy roa hafa efa eo an-dalana hiditra ho anisan’ny ligy hanatanteraka ity “Inter-ligues” ity. Tsiahivina fa tany Antsirabe ny ligin’Analamanga tamin’ny volana desambra 2024 nanao ny lalao mandroso tamin’ity “Inter-ligues” ity ary hatao eto Analamanga ny lalao miverina, araka ny fandaharam-potoana hatrany. Nanamafy ny filohan’ny ligy fa mampivoatra ny ligy tsirairay ny fifaninanana toy izao ary ahitana fifanakalozana sy fifampizarana traikefa maro. Ilaina, hoy izy, ny maka traikefa amin’ny mpilalao avy amin’ny ligy hafa mba hanatsarana ny haavo teknika ary zava-dehibe izany amin’ny fanomanana fifaninanam-pirenena. Marihina fa ireo mpilalao voafantina avy amin’ny ligy misy azy tsirairay isan-tsokajiny no mifanandrina amin’ity fifaninanana “Inter-ligues” ity.
Voka-dalao ny sabotsy sy alahady teo:
U16, sokajy vehivavy:
Mb2All 1 48-38 GNBC
AKBB 28-16 MB2All 2
SHARKS 4-56 JCBA
BJ Team 12-27 Cosfa
U16, sokajy lehilahy:
ASA 19-44 AST
NHBS 36-34 AKBB
CSBBA 23-86 JCBA 1
BJ Team 39-74 AFO
N1B, vehivavy:
L2BV 48-30 Astar
SBL2 17-22 Lions
SBL1 29-36 GIDSAO
ASA 57-53 Akamasoa
SBL 63-79 Fandrefiala
N1B, sokajy lehilahy:
L2BV 24-47 Lions
WDBB 53-67 FBC
MB2All 50-42 Sharks
Maroliona 66-63 GCBA
SDE 57-52 Cosfa
Fitia Randria