SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina nanomboka ny 24 marsa lasa teo, tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifaninanana baolina kitra anaty efitrano, ho an’ireo Oniversite eto an-drenivohitra, na ny « Take Off ». Mahatratra 40 eo ireo mpandray anjara tamin’izany. Tsiahivina fa karakarain’ny Madagascar Futsal Association (MFA) ity hetsika ity.

Hotontosaina manomboka ny 22 avrily ho avy izao, any Maroc, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra anaty efitrano, « Futsal », sokajy vehivavy. Araka ny fikarohana natao, hifanandrina voalohany amin’i Madagasikara amin’izany i Sénégal.

Hotanterahina ny 17 hatramin’ny 19 avrily izao, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Judo, sokajy Minimes, Cadets, Juniors ary Seniors. Fifaninanana hitiliana izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Côte d’Ivoire, ny 25 hatramin’ny 29 avrily izao.

Hotanterahina any Toamasina, ny 17 hatramin’ny 20 avrily izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano, ho an’ny dobo filomanosana 50 metatra. Fanomanana sahady ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika izay hatao any Egypta, ny 30 avrily hatramin’ny 4 mey izao ity fifaninanam-pirenena ity.

Partager sur: