TARATRY ny KANTO

Tonga omaly i Oboy. Izy no vahiny andrasana manokana mandritra ilay «Match de gala» etsy Mahamadina, anio tolakandro. Amin’ny fotoam-pialan­tsasatra no hiakatra ny kianja ity frantsay mpanakanto mpanao rap fa teratany malagasy ity.

Fanamarihana ny 29 marsa : misy fampirantiana mitety sekoly. Teny amin’ny Lycée Belanitra Ilafy sy Andriamborona Ambohimanga no nosafidiana, omaly. Narahina seho ara-javakanto nataon’ny mpianatra ny fampahafantarana ny tantara.

Tontosa omaly ny velakevitra mahakasika ny taombaovao malagasy teny Anatirova. Nasaina hanatrika izany ireo mpianatry ny LTC Ampefiloha. Niezaka ny nandresy lahatra ireo mpianatra ny mpitarika ny ady hevitra, indrindra mahakasika ny fisian’ny taombaovao samihafa.

Hisokatra amin’ny fomba ofisialy anio ny «Mada­gascar film festival – ISSM Awards 2024». Ao amin’ny Havoria Anosy, izay toerana hanaovana ny fandefasana ireo horonantsary rehetra hifaninana ihany koa, izany. Halefa manomboka rahampitso ireo sarimihetsika mifaninana isan-tsokajy.

Partager sur: