« World Games » – Tsipy kanetibe : Mirana sy i Yves no solontena malagasy

Hiatrika ny “Test event”, amin’ny “World Games” na “Jeux mondiaux” hatao any Chine eo amin’ny taranja tsipy kanetibe,  Razafinakanga Mirana sy Rakotoarisoa Yves Sedrick. Omaly no nanainga izy mianadahy ireo. Mason­tsivana nifantenana azy ireo ny vokatra azony nandritra ny Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) natao teto Madagasikara. Raha tsiahivina, samy nahazo ny medaly volamena avokoa izy ireo, miampy ny vokatra azony nandritra ny fifaninanana farany teo. Yves moa anisan’ireo niatrika ny “Tournée estivale” tany Frantsa, ny taona 2024. Tsy nisy intsony ny fotoana nanaovana fampivondronana satria ny datin’ny 16 febroary lasa teo ny fe-potoana farany nandefasana ny anaran’izay solontena malagasy any Chine.
Hisy fifaninanana hifantenana izay tena ho tafita hiatrika ny “World Games 2025”, hatao ny volana aogositra, io hatrehin’izy dahy any an-toerana io. Anisan’ireo hifaninana amin’izany i Cambodge sy i Thaillande ary i France, izay samy manana mpilalao andrarezina avokoa. Hisy lalao ho an’olon-tokana sy ho an’olon-droa amin’izany. Tsy misy vola miala amin’ny Malagasy izany fa hiantohan’i Chine avokoa. Tsiahivina fa ity “World Games” ity dia natokana ho an’ireo taranja tsy tafiditra tamin’ny lalao Olympika farany teo.

Tompondaka

Partager sur: