29 marsa – 30 marsa : Hampahafantarina ny tanora ny momba azy

Andro vitsy sisa isaina… Handia vanim-potoana roa lehibe i Madagasikara. Ny 29 marsa sy ny 30 marsa. Ahafahana manararaotra hanehoana amin’ny tanora ny momba azy. Azo antoka, hisy ny ho liana…

29 marsa, ahatsiarovana ny «Tolom-panafahana» notanterahin’ny Malagasy tamin’ny taona 1947 hanoherana ny Frantsay sy ny forongony. 30 marsa, handiavana ny andro voalohany, amin’ny volana voalohany, amin’ity taona 2025 (Taombaovao / Fan­droana), araka ny fahalalana ananan’ny Malagasy. Samy maneho ny maha Malagasy avokoa ireo, satria, niainan’
ny razany. 29 marsa 1947, vono moka natao tamin’ireo Malagasy noheverina fa manelingelina ny tombon­tsoan’ny vahiny. Fandroana (Taombaovao), fomba ma­lagasy mamerina ny hasina ananan’ny Malagasy tsirairay…
Samy fotoana fanararaotra hampitana amin’ny tanora ny momba azy, ireo andro roa ireo. Samy hanana akony eo aminy ny fandrenesana sy ny fahafantarana ny tena zava-nisy teto amin’ny tanin-drazany. Hipoitra avy amin’izany ilay hetaheta te handalina bebe kokoa.

Mila fitandremana fatratra
Na izany aza, ilaina fitandremana fatratra ny fampahafantarana ny tantara, ny fomba amam-panao, ny ko­lontsaina sy ny soatoavina, sns. Sorohina mafy ny tora-po sy ny lainga. Anisan’ny antony mampalaindaina ny tanora amin’ny fihainoana sy fandalinana ny momba azy ireo fihetsika ireo.
… Manana anjara toerana lehibe ireo zoky raiamandreny. Izy ireo no tokony ho akaiky kokoa amin’ny tany aloha (tantara, fomba…). Noho izany, izy ireo no andrasana hanao ny fampitana sy ny fitantarana. Izy ireo no andrasana hanala sy hamongotra ny tantara sy ny hevi-diso nanimba ny Malagasy hatramin’izao. Manana anjara toerana lehibe ihany koa ny mpahay tantara sy ireo mpandalina isan-tsehatra. Mila mamoaka ny fantany izy ireo mba hahafantaran’ny tanora ny momba azy sy ny fireneny.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: