27 marsa, Andro iraisam-pirenena ho an’ny teatra. Mankalaza izany isan-taona isika eto Madagasikara. Nisy ny fifaninanana teatra ho an’ny mpianatra, ka sekoly 11 no namaly ny antso. Tontosa ny 18 marsa lasa teo ny dingan’ny fifanintsanana, ka sekoly 4 no tafakatra hanao ny dingana famaranana, izay hotontosaina anio, etsy amin’ny Ivokolo Analakely. Ny tropin’ny Éduc Plus Besarety, Cisco Andramasina, CEG Ankazobe ary ny Lycée Rabearivelo no hifanintsana amin’izany. Ny Lycée Andohalo kosa no nahazo ny «coupe de cœur» avy amin’ny mpitsara, na dia tsy tafakatra aza.
Hahazo lelavola 1 tapitrisa Ar ny tropy voalohany, 500 000 Ar ny faharoa ary 300 000 Ar ny fahatelo. Ankoatra izay, samy hoentina hitsidika ny Rovan’Ambohimanga avokoa izy ireo. Tsiahivina fa lohahevitra efatra no nisafidianan’ny tropy, nanodidina ny «Tolom-panafahana 1947», «Ady amin’ny zava-mahadomelina», «Ady amin’ny kolikoly» ary ny «ady amin’ny doro tanety».
Zo ny Aina