Fanabeazana: Very « Reny » ny Malagasy

Manana hasina lehibe eo amin’ny Malagasy sy ny fiarahamonina misy azy ny reny. Loharanon’ny taranaka. Tandindon’ny hoavy manaraka. Fambara tsy miangatra ho an’ny vanim-potoana any aoriana ihany koa… Manomboka mitsingalamboangidina ny fiarahamonina malagasy, satria, very ilay reny.

Diniho tsara! «Firenena mpanjanaka». «Tany voazanaka». «Mpanjana-tany»… Samy manambara fa lasa «zanaka» na beazina sy tezaina tahaka ny zanaka ny firenena iray sy ny mponina ao aminy. Tahaka izany koa, «reny malala» no niantsoana ny «mpanjanaka», satria mahafantatra tantara sy niainga avy amin’izany fahafantarana izany ny vahiny, rehefa niditra teto. Fantany tsara fa sarobidy ho an’ny Malagasy ny «Reny», dia nosalorany io anarana iombonana io. Tena nitaiza sy nanabe ny Malagasy tokoa ve ny Frantsay? Nanao izay nahatsara sy nahasoa ny zanany ve? Raha «eny» ny valin’io. Mitombina sy manana faka tsara ny filazana fa «mpanjanaka» izy ireo. Raha «tsia» ny valiny, «mpanjakazaka, mpandromba, sns» izy ireo. Very ve io reny iray io? Samy manana ny fomba fijeriny. Tsy tokony haka lavitra, anefa, satria ny reny no fambara tsy miangatra ho an’ny vanim-potoana any aoriana. Inona no azon’ny Malagasy tamin’ny «reny malala», fahiny? Ny ankehitriny, manao ahoana ny fifandraisana sy fifamatorana eo amin’ny roa tonta?…

Reny tandindon’ny hoavin’ny taranaka sy ny firenena

Tranga sy lamina voajanahary narahin’ny Malagasy, manomboka eo amin’ny tsaika, mandra-pahateraka. Ao an-kibon’ny reny ny zaza. Salama ny reny, salama ny zaza. Sanatria, madisadisa ny reny, madisadisa ihany koa ny zaza ao am-bohoka, sns. Minono amin-dreniny rehefa teraka. Adidy goavana be io, satria miantoka ny fahavelomana. Zaza, ankizy, tanora, ny reny no akaiky azy ireo. Ny reny no mitaiza sy manabe, manoro, mananatra. Mahafantatra tsara ny olana mianjady amin-janany. Mitady vahaolana araka izay tratry ny heriny (fanahy, vatana, fo).

Raha tsara ny fitaizana sy ny fanabeazana nomen’ilay «Reny». Azo antoka ny hoavin’ilay taranaka sy ny fiarahamonina misy azy. Azo antoka fa hanana ny hoaviny mamiratra ilay firenena. Sanatria, ratsy sy tsy sahaza ny zaza tezaina ny fanabeazana nomen’ny reny, azo antoka fa olon-tsy vanona, tsy mahalala fomba, sns, ireo taranaka novolavolainy.

Raha atao indray mitazana ny fiarahamonina iainan’ny Malagasy, amin’izao vanim-potoana izao, ahina ho very «Reny» ny Malagasy. Fiarahamonina maloto. Raha nisy «Reny» nanabe sy nitaiza nanaraka ny fomba sy ny lamina voajanahary ve hatramin’izay, ho sahy hamono olona, handatsaka ain’olombelona, hifamototra amin-janaka ny ray niteraka, sns, ny Malagasy?

Na, nanabe ihany ilay «Reny» fa tsy nanao ho laharam-pahamehana izany noho ny antony samihafa. Na, nomeny fanabeazana sy fitaizana tsy sahaza azy ny taranany ka mihevi-tena ho amerikanina na eorôpeanina… Azo antoka fa hitera-doza ho an’ny ankohonana sy ny fiarahamonina ary ny firenena iray manontolo ny tranga tahaka izany.

Tsy ampy fanabeazana ka nanjary kamboty saina

Satria, very ilay «Reny»…, nanjary kamboty saina ny ampahana Malagasy izay lalim-pandinihana fahiny. Kolontsain-drazany, fomban-drazany, anaran-drazany, fadin-drazany, tanindrazany. Saika ny momba ny razany rehetra, nanjary ratsy sy tsy sahaza azy eo imasony in­tsony. Ny hevitra tsotra, tsy takatry ny sainy in­tsony. Filazan-javatra tsotra, avadik’ilay saina kamboty ho zavatra hafa mihitsy. Hany ka ny zava-bitika, lasa goavana be. Ny mankadiry nanjary bitika. Tsy mora ny manarina ny fahasimbana ateraky ny saina kamboty nilaozan-dReny. Manampy trotraka ny tsy fananan’ny «Reny» fotoana hoenti-manabe ny taranany. Trangam-piarahamonina efa tazana etsy sy eroa ny Malagasy tsy voataizan’ny «Reny» in­tsony fa samy manao izay hitsin’ny sainy.
Tsy misy fototra intsony

Satria tsy nisy na tsy ampy na diso ny fanabeazana nampitain’ilay «Reny», nanjary very fototra ny Malagasy sy ny fiarahamonina misy azy ary i Madagasikara iray manontolo. Mitsingevana ny atao rehetra. Ny tononkira miteniteny foana. Ny dihy natao ho kolosaina nariana ka nomena vahana ny «kolombody». Ireo fomba amam-panao sy soatoavina maha Malagasy nanjary nametrahana fifandonan-kevitra sahaza ny votsa saina. Ny tenindreny hanabeazana sy hitaizana ary hampitam-pahalalana sy fahendrena natsingidina na nitsingidina. Ireo fomban-drazana nametraka lamina sy rindra tsara ao anatin’ny fiarahamonina, narodana na nirodana… Tsy misy fototra intsony!

Ny fahaverezan’ny «Reny» sy ny adidy aman’andraikitra notanany no nohararaotin’ny vahiny sy ny forongony hamotehana ny Malagasy sy i Madagasikara. Noho izany, mila haverina ny maha «Reny» ny vehivavy malagasy. Hatao izay hampanakaiky azy amin’ny ankohonany, amin’ny taranany, tahaka ny teo aloha. Hatao izay hahalalan’ny «Reny» ny momba azy manontolo mba hananany «zavatra» hampitaina any amin’ny taranany… Mila mahatazona ny maha «Reny» azy ny vehivavy raha te hanan-taranaka sy firenena vanona. Sanatria, maty ny hasin’ny «Reny», ny firenena iray manontolo no maty hasina!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: