Miabo hatrany! Nanamafy ny fiaraha-miasa efa natomboka ka hifampitantana ho fanandratana ny mozika malagasy ny trano mpamokatra Davalt Rwikordz sy ny Moozik.
Mitovy ny fijery, iray ny tanjona. Nampahafantarina omaly, tetsy
amin’ny Kudeta Carlton, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo
amin’ny trano mpamokatra mozika Davalt Rwikordz, sy ny orinasa Manoova, amin’ny alalan’ny «Moozik». Sehatra fanjifana mozika ana habaka ito farany, izay efa milahatra amin’ ireo fanta-daza maneran-tany toa ny Spotify, Apple Music na ny Deezer. Nisy ny fifanaovan-tsonia, izay nanamarihana fa hiroso amin’ny lalina kokoa mankany amin’ny fanandratana ny mozika malagasy ny roa tonta.
“Hatramin’ny volana jolay 2023 nanombohana ny Moozik, efa nananika ny 1 300 000 ny isan’ireo nihaino ny vokatry ny Davalt Rwikordz. Porofo izany fa tena be mpankafy maneran-tany ireto mpanakanto ireto. Efa mandray ny tamberina ihany koa, araka izany, izy ireo”, hoy ny nambaran’i Rajo Rajaonarivelo, tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Manoova.
“Dingana lehibe ho anay izao fiaraha-miasa izao. Niezaka izahay ny hampiray ny Malagasy amin’ny alalan’ny mozika satria misy avy amin’ny lafivalon’ny Nosy ireo mpanakanto ireo. Hikendry ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena no tanjona aorian’izay”, hoy kosa ny nambaran’i Davalt, ilay tsy tia misehoseho loatra, kanefa tompon’antoka voalohany ao ambadiky ny lazan’ny ankamaroan’ireo mpanakanto amin’izao.
“Izay misy ao amin’ny Spotify, ohatra, dia misy ao amin’ny Moozik avokoa. Fanampin’izany, misy ireo tombony hafa, toy ny karaoke, ohatra, izay ny feon-javamaneno tena izy no nanalana ny feon’ny mpihira. Eo koa ny ady amin’ny piraty izay antom-pisian’ny fanjifana ana habaka toa itony, ka azo jifaina ny hira fa tsy azo zaraina ivelan’ny application, ho fiarovana azy”, hoy ny fanazavan’ny Manoova. Efa manana fiaraha-miasa amin’ireo tambajotra goavana amin’ny fivarotana mozika maneran-tany, toy ny Universal Music Group rahateo izy ireo.
Ao anatin’ny laza misandratra, vokatry ny asa maro tao ambadika tao ireo mpanakanto eo ambany helatry ny Davalt Rwikordz amin’izao fotoana. Naneho izay harena anaty fahasamihafana izay ry Moopcan, Maman’i Tsôlôlô, Tanjona Randrianarivelo, Franco, Parish, Farao, sns. Ampahany ihany, amin’ireo mpanakanto marobe entin’ny Davalt Rwikordz ireo, satria efa misy ireo nanomboka sahady ny andiam-pampisehoana eto sy any ivelany.
Zo ny Aina