« Hasina fa tsy laza. Tsy mamorona fa mamelo-maso ». Teny faneva nosafidian’ny vondron’ireo mpandala ny
« Alahamadibe » tamin’ity io. Nosafidiana manokana ho ivon’ny fanamarihana ny « alahamadibe » ny teny amin’ ny Doany Ankazomalaza, Ambohimanga, na dia samy nanana ny fankalazany toa ny mahazatra isan-taona aza ireo Vohitra efa mpandala izany, efa taon-jato maro izay.
Tomefy olona teny Ankazomalaza ny faran’ny herinandro teo, niara-nifaly sy nanatontosa ireo hetsika rehetra nomanina sy fanao rehefa fiandohan’ny taona toy izao. Notontosaina avokoa ny fomba rehetra: fafy rano, arendrina tamin’ny afo tsy maty, lamalama, tatao, tsitsika, tsodrano, sns. Ny lanonana nanomezana sehatra ny dihin’ny Ntaolo sy ny Zara hasina no namarana izany.
Tontosa ary notokanana nandritra ny “Alahamadibe” teo koa ny Lapan’ i Dadabe Andrianampoinimerina, tsangambaton’ny fiaraha-mientana. “Anatin’ny ezaka ataon’ ny mpandala ny fomban-
drazana ny fametrahana ny Alahamadibe, mba hahafahana mamerina ny hasin’ny fomban-drazana malagasy”, hoy ny mpitarika iray teny an-toerana ; Tsy nohadinoina ihany koa ny fizarana ny fahalalana ho an’ny rehetra, mba tsy hampirohoroho saina ireo te handala ny fomban-javatra. “Be loatra ny fanotana fady. Lasa maro mpisoloky ka misy manao ho fihariana ny fomban-drazana. Natao hikarakarana ny vahoaka, hitadiavana ny mahasoa sy ny mahatsara, anefa izany”, hoy ny mpandala ny fomba malagasy iray hafa.
Zo ny Aina