Nomarihina teny Anatirova ny “Taombaovao Malagasy fidiovana 2025”. Nisy ny fizarana ny “afo tsy maty” tao amin’ny Kianja Masoandro, ny asabotsy teo. Nitohy ny alahady izany, izay nanaovana ny fomba rehetra rehefa tonon-taona toa izao: tatao, tsodrano, sns. Nahitana vahiny maro nanatrika izany, ka inoana fa miroso mankany amin’ny fankatoavana ny fankalazana ny fitondram-panjakana.
Hampidirina ho harem-bakoka iraisam-pirenena ny lamba fitafy. Fanambarana nataon’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara VOlamiranty Donna, nandritra ny kabariny teny Anatirova io. Nohamafisiny nandritra izany koa ny fahatongavan’ny kabeson’ny Ampanjaka Toera sy ny an’ireo miaramilany, ny 14 avrily ho avy izao.
Mbola mitana ny lazany i Lôla. Fanamby goavana no tontosan’ity mpanakanto ity, ny alahady teo. Namaly ny antson’i Lôla ireo mpankafy azy hatrany, nameno an’Antsahamanitra. Nanamafy iny seho iny fa mbola ao anatin’ny laza ity mpanakanto ity. Anisan’ny niavaka indrindra tamin’ny seho ny nanasany ireo namany an-tsehatra, toa an’i Bodo, Dô Rajhonson ary i Njara Marcel.
Niverina amin’ny heriny ny tarika Green. Anisan’ny tsapan’ireo mpankafy Rock, nandritra ilay seho “Revy rock mandrakizay”, ny alahady teo, tao amin’ny kianja Barea, izany. Mbola teo ry Poun sy i Jacquot, nampian’ireo tanora ao anatin’ny tarika. Namaly ny antso koa ny mpankafy ny tarika Tselatra, na tsy teo aza i Eric noho ny tsy fahasalamany.