Aorian’ny fahavitan’ny fianarana : Vitsy ny tanora sahy manangana ny orinasany manokana

Olana ho an’ny ta­nora mahavita fianarana ny fananganana orinasa ma­nokana. Mbola vi­tsy izany raha ho an’ny eto amin’ny firenena. Antony mahatonga izany ny tsy fananana tetibola entina ma­nangana.

Ampirisihina sy entanina hatrany ny mpianatra mba hanangana ny orinasany manokana aorian’ny fahavitana fianarana. Tsapa sy hita fa vitsy ireo ankizy sy mpianatra sahy manorina orinasa na fotodrafitrasa ho azy manokana, raha ny zava-misy. Lasa mitady asa eny anivon’ny orinasa miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana hatrany ny ankamaroan’izy ireny rehefa mahavita fianarana.
Raha ny tatitra voaray farany, 30 isan-taona amin’ireo mpianatra mahavita na mivoaka fianarana ihany no raisin’ny orinasa tsy miankina hiasa ao aminy sy mitady lalana hiasa amin’ny fanjakana, raha ho an’ny faritra Vaki­nankaratra manokana. Mbola malalaka ny sehatra fananganana orinasa ho an’ny tanora, raha ny zava-misy eto amin’ny Nosy no jerena. “Tsy ary voaray hiasa amin’ny orinasa avokoa ny mpianatra mahavita fianarana rehetra ka antony iray handrisihana azy ireo hanangana orinasa”, hoy i Manjaka Rakoto David, talen-tsekoly tsy miankina eo anivon’ny Es.des.

Antoky ny fampandrosoana ny orinasa betsaka
Anisan’ny antoky ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-ekonomika ny fisian’ny orinasa mijoro eo anivon’ny firenena iray. Azo lazaina ho zava-dehibe raha toa ka manangana ny orinasany manokana avokoa ny 20 % ny mpianatra mahavita fianarana sy mivoaka eny anivon’ny sekoly ambony iray. Ho an’ity sekoly ity manokana, mamoaka mpianatra manodidina ny 1 000 isa isan-taona eo ho eo izy ireo. Raha toa ka manangana ny orinasany manokana ny 20% amin’izy ireo dia efa azo hitarafana ny fandrosoan’ny zava-misy eto amin’ny firenena izany, raha ny fanazavana nataony. 10 taona teo ho eo ny nisian’ity sekoly ity teto Madagasikara. Mbola vitsy ireo mpianatra nahatsangana orinasa manokana tao anatin’izay 10 taona lasa izay. Antenaina fa efa mivoatra tsikelikely izany amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Ankoatra izay, ezaka atao ny tsy hanaovan’ny ankizy fanompoana ny vahiny any ivelany amin’ny sehatry ny asa. Mba hanaovany asa sy ezaka ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Afaka manangana orinasa na tsy misy aza ny
hoenti-manana
Olana ho an’ny ankizy sy ny tanora maro ny tsy fananana vola. “Afaka manangana orinasa manokana ny olona iray na dia tsy manana tetibola hiangana aza”, hoy hatrany ity mpanabe iray ity. Azo atao ny manangana izany na dia manomboka amin’ny vola 10 dollars na 42 000 ariary aza, araka ny fikarohana nataon’ny manam-pahaizana tany amin’ny firenena amerikanina. Amin’ny maha mpampianatra anay, tsy maintsy mitady vahaolana hitarihina ny mpianatra hamorona orinasa sy tsy ho kivy amin’ny fanantanterahana izany izahay.
Ho an’ireo mpianatra mandranto fianarana mahakasika ny asa sosialy, ampianarina sy atao an-tsain’izy ireo fa afaka manangana orinasa na tsy manam-bola aza. Ankoa­tra izay, afaka manao asa sosialy foana izy ireo eny anivon’ny fiarahamonina.

Miroborobo ny fampianarana ampitain-davitra
Efa miroborobo tanteraka ny fampianarana ampitain-davitra amin’izao fotoana izao. Amin’ny ankapobeny, ireo olona efa miasa no tena manaraka azy io eto Mada­gasikara, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Misy ireo manatevina ny fahalalana efa nananany. Misy koa ireo manampy ny diplaoma satria ilaina eo amin’ny sehatry ny asa izany. Eo ihany koa ireo mpianatra manana ny mari-pahaizana bakalorea fa tsy nanana enti-manana nanaovana izany teo aloha.

Mampandroso ny fampivelaran-tsaina

“Entanina ny rehetra, indrindra ny tanora sy ireo olona efa miasa, mba hazoto hanohy fianarana hatrany ary hahazo diplaoma ambony indrindra”, hoy ny talen’ny sekoly Es.des, i Manjaka Rakoto David, nandritra ny varavarana misokatry ny oniversite tsy miankina tetsy Ankadivato, ny herinandro lasa teo. Tanjona ny hahafahana mitarika ireo tanora sy ny olona am-perinasa mba hanohy hatrany ny fianarany. Antoky ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekaren’ny firenena ny fanitarana sy fanohizana fianarana amin’ny alalan’ny fampivoarana ny saina amam-pahalalana. “Maro ny tanora manana diplaoma bakalorea, Licence fa nijanona tsy nianatra in­tsony”, hoy hatrany izy. Nambarany fa misy ihany koa ireo tanora manana diplaoma Master nefa tsy mifanaraka amin’ny fianarana nataony ny asany noho ny antony maro samihafa. Ny fahatsapana izany indrindra ny antony nahatonga ireo tomponandraikitra nikarakara ny hetsika. Manampy betsaka ny fampitana fahalalana ho an’ireo mpianatra ny fananan’ny sekoly ireo mpampianatra efa manana traikefa sy notsongaina manokana. Eo koa ny fandraisana an-tanana ny mpianatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa mandray an-tanana ny mpianatra amin’ny fanaovana andranasa sy hampihatra ny fianarana norantoviny. Ho an’ity sekoly ity manokana, nofanina hanangana ny orinasany manokana ireo mpianatra mivoaka sy mahavita fianarana ao.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: