Nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra ny firosoan’ny fanomanana ny fivahinianan’ireo filoham-pirenena maromaro eto amintsika. Handray anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI).
Miara-dalana amin’izany koa ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana sy governemanta eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI), ny 24 avrily 2025, eto Antananarivo. Nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra fa efa ao anatin’ny fanomanana ny komity mpikarakara ny fandraisana izany fihaonana izany. Efa miroso ny asan’ireo vaomiera samihafa. Eo ny lafiny ara-teknika sy momba ny arofenitra handraisana ireo delegasionina. Manampy izany ny fiarovana ireo vahiny manan-kaja toy ireo filoham-pirenena maromaro ho avy, namaly ny fanasana hanatrika izany fotoan-dehibe izany. Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana manomboka amin’ny fahatongavan’ireo vahiny sy amin’ny fotoana hanatanterahana ny fivoriana ary amin’ny andro hodian’izy ireo. Anisan’ izany ny eny amin’ny seranam-piaramanidina sy ny eny amin’ny CCI Ivato. Tahaka izany koa ny eny amin’ny tranon’ireo masoivoho sy ny birao fiasany amin’ireo firenena handray anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ny COI. Mbola hitondra fanazavana ny eo anivon’ny mpitandro filaminana, momba ireo.
Fametrahana paikady
Handefa iraka manokana mialoha hijery ny fametrahana ny paikady ho amin’ny fitandroana ny filaminana ireo firenena mpandray anjara amin’ny fivoriana.
Notsindrin’ny filankevitry ny minisitra fa tombony ho an’ny firenena malagasy ny handraisana ity fihaonana lehibe ity. Ahafahan’i Madagasikara maneho ny fahavononany hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena eto amin’ny faritry ny ranomasimbe indianina. Mifanindran-dalana amin’ny laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana. Ny lohahevitra nosafidiana: “Ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho fampandrosoana ny tsenan’ny ranomasimbe indianina”.
Synèse R.




