Federasionina Taekwondo : Nahemotra ny fifidianana filoha

Araka ny fanadihadiana natao omaly, tsy mbola hotontosaina amin’ity volana avrily ity indray ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny taekwondo WT (FMTKD). Raha ny fanazavana azo tamin’ny loharanom-baovao iray, hatao ny 3 mey ho avy izao izany. Antony, mbola mifantoka tsara amin’ilay fifanintsanana izay handraisan’i Madagasikara anjara any Ethiopie, ny 24 avrily ho avy izao, ny kaomisionina mitantana ny federasionina FMTKD (Comité Ad’Hoc).
Tsiahivina fa tokony hatao ny 12 avrily ho avy izao ity fifidianana ity. Tsara ny mampahafantatra fa efa nijoro nanomboka ny volana febroary teo ny Comité Ad’Hoc.
Hatramin’izao, tsy mbola misy ny resaka ofisialy mahakasika ireo kandidà izay hirotsaka hofidina hitantana ity federasionina ity.
Raha ny siosion-dresaka mandeha, hirotsaka amin’izany indray, Rako¬tomanana Franck Tiana, lehiben’ny federasiona izay avy noravana, noho ny tsy nahazoan’izy ireo taratasy fankatoavana avy amin’ny Komity olympika malagasy.
Raha ny filazan’ilay loharanom-baovao, ny ligin’i Vakinan­karatra, Boeny, Atsinanana no nahitana fiovam-pitantanana.

F.R

Partager sur: