Miseo lany ny lozam-pifamoivoizana teto Antananarivo Renivohitra, tao anatin’ny roa herinandro. Olona dimy namoy ny ainy.
Tranga lozam-pifamoivoizana maherin’ny 35 niseho teto Antananarivo Renivohitra nanomboka ny 24 marsa hatramin’ny omaly. “27 tamin’ireo nitranga nandritra ny 24 marsa hatramin’ny 30 marsa teo”, araky ny tatitry ny polisim-pirenena. Namoizan’aina olona roa ireo loza ireo. Tafakatra hatramin’ny 26 ny naratra. Mpitondra moto, mpamily fiara Samy lasibatra avokoa. ” Tsy fanarahan-dalàna toy ny fisotroana zava-misy alkaola matetika sy tsy fitandremana tsotr’izao no mitarika ny loza”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ ny kaomisaria Central Antananarivo, ny kaomisera Razafindahy Manitra Fleurys. Loza nateraky ny hamamoana avokoa ny dimy tamin’ireo antontan’isa nomen’izy ireo. “Mila manao aroloha, manaja ny hafainganam-pandeha avokoa ny mampiasa moto”, hoy izy. Ankilany, mila mitandrina ary manaraka ny fenitra manoloana ny fitsirihana teknika ireo fiara mifamezivezy.
Telo maty
Nanomboka ny 1 aprily hatramin’ny omaly, lozam-pifamoivoizana enina nitranga teto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Olona telo namoy ny ainy tamin’ireo ka mpandeha moto avokoa ny roa. Anisan’izany, ilay zandary tra-doza tetsy Masay sy ny raim-pianakaviana iray maty teny amin’ny RN1, sampanan-dalana mihazo an’Ambodiafontsy. Lehilahy manodidina ny 40 taona anisan’ireo fito mianadahy nandeha tao anaty fiara tsy mataho-dalana niharan-doza teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra ny fanintelony. Manentana ny mpamily, mpitondra moto hanaraka ny fenitra sy hanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ny mpitandro filaminana mba hisorohana ny loza mateti-pitranga tato ho ato.
Tsiferana R.




